airtel

Edito

08-févr-2024

Mahay mampatory

mitsangana tokoa ve ?

Sample post image

Mampanongo tena ny fihetsika amam-pitondran-tenan’ny mpanao

08-févr-2024

politika izay mihevitra ny tenany ho mahavita mampatory mitsangana hatrany ny vahoaka. Tena izay fiheverany izay ve anefa no zavatra mitranga sa efa tofoka sy leo amin’ny lainga, fitaka, fandokafan-tena ny valalabemandry ka mitazam-potsiny sisa ? Henjana ny fandokoana ny mainty ho fotsy ka na efa hita mibaribary izao aza, efa tsy takonana hafenina fa miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahombiazam-pitantana, dia mbola mandeha ny politikan’ny gisalahy mangala-ketsa, ka ny efa manao ny tsy mety indray no avo vava. Tsy resaka tsy fitiavana olona iray na vondron’olona, fa tena tonga any amin’ilay hoe : izahay aloha izao no eto dia izay tianay sy metimety aminay no tsy maintsy ekena, eny fa hatrany amin’ny fandisoana ny tantara aza ! Dia tena adala ve ireo sehatra maro samihafa na avy ato anatiny na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mamoaka ny fanasokajiana maro samihafa, fa tena tsy mitsahatra mihemotra sy mitotongana anie ity Madagasikara ity e !? Hafa ny tany amin’ny 15 taona lasa namendrofendroana ny vahoaka tamin’ny filazana fa ho 2000Ar ny menaka ary ho 500Ar ny kapoakan’ny vary satria nipoitra ny nambara fa olom-baovao hitondra fanavotana, dia nandaitra ny mazia mazian’ny serasera, fa izao anie efa tsy vaovao amin’ny rehetra intsony ilay olona e ! Na ny kabary haloaky ny vavany aza efa mitady ho hay tsianjery, ny fampanantenana tsy tanteraka ny ankamaroany, ny ronono an-tavy,… Dia tena hoe : resy lahatra ve ny olona sa manaiky tsy sazoka manoloana ny didiko fe lehibe, ny amboletra, ny famoretana amin’ny endriny maro,… Tsy resaka fankahalana mihitsy fa raha izao zava-manjo ny firenena sy ny vahoaka izao izay mbola miharo fitantanana tsy mahomby sy mandrendrika firenena dia asa izay hanjo ity firenentsika ity afaka 5 taona. Ny efa mpanimba sy mpandrafa efa iaraha-mahalala ary tsy hanaiky ho diso mandrakizay angamba fa ny rehetra mitazam-potsiny eo anatrehan’ny faharendrehan’ny firenena no mila fifohazana faobe !
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap