airtel

Edito

21-juil-2021

Edito

Mahay politika fa tsy mahay mitondra

Sample post image

Azo lazaina ho mahay politika, mahay maka fahefana, mahay mametsifetsy vahoaka,… ny fitondrana ankehitriny. Tsy mahay sy very lavitra kosa any amin’ny fitondrana firenena na azy daholo aza

21-juil-2021

 ny rafi-pitantanana hatrany amin’ny farany ambany ka hatrany amin’ny faratampony. Tsy isika no mamorona, fa miteny ho azy ny zava-misy ara-toekarena sy ara-tsosialy, hita miharihary amin’ny fiainam-bahoaka. Tena henjana amin’ny fandrombaham-pahafena na tamin-kery, na tamina ton-tandroka, na tamin’ny kajikajy politika efa tsara paika. Manana politisianina tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fandrombaham-pahefana, tompon’ny sandry, tompon’ny taim-bava, tompon’ny vola be. Feno ny fepetra ara-politika saingy very lavitra kosa any amin’ny fahaiza-manao hampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Izay tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe: ny mpanakorontana tsy mahay mandamina, fa ny mpandamina no afaka manakorontana? Mihazohazo tsy hay handroso tsy hay hihemotra, tsy maty hafoy sady tsy velon-kantenaina, tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika, hoy ny fitenenana. Zary fialana bala hatrany ny hoe: sembatsembanin’ny mpanohitra, avelao handeha ny fampandrosoana efa manomboka,… Averina foana ny hoe: angaha Fanjakana malemy sy tsy mamim-bahoaka ity no mpanohitra lazaina fa resy lava hatrany ny sakana? Lasa miezaka mitady izay fomba rehetra hanoherana ny mpanohitra, mamono afo, miditra amina kilalao politika hampiadiana ny fanoherana, mety tonga hatramin’ny famafazana vola be,… hany ka tafiditra anaty vela-pandrika. Mety haharo hatramin’ny farany ny fitondrana ve izany,… Tsy mila kajikajy maloto na fividianana olona io raha tena miasa ho an’ny vahoaka, mahay mijery ny tena maika sy laharam-pahamena, mahava ny tena olana misy. Tsy hisy mpanohitra atahorana akory, saingy tsy ny fahantrana sy ny krizy ara-tsosialy ary indrindra ara-toekarena no olan’ny mpitondra, fa sao hahazaka vahoaka sy hahazo fahefana ny mpifandrina. Mila miaiky ny lesoka, mila manetry tena sy manaiky ny fahadisoana. Sa kosa mbola miandry ny akoho haniry nify vao mba hiaiky ny tsy fahombiazana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap