amin'ny Firenena : halatra olona, famonoana, ary fampihorohoroana hanomezana endrikabtsy fandriampahalemana sy fanozongozonana politika. Tsy azo lavina fa misy vondron’olona ambadiky ny tetidratsy politika, izay mampiasa sorona sy fikorontanana ho fitaovana hanatratrarana tanjona manokana. Ny vahoaka no lasibatra, ny fiarahamonina no iharan’ny vokany, ary ny Fanjakana no kendrena ho lavo. Etsy ankilany, misy hafanam-po mitady rafitra vaovao hitantanana ny Firenena, toy ny fivoizana ny Fanjakana federaly. Marina fa misy lafy tsarany izany: mety hanome fahafahana bebe kokoa amin’ny faritra, hanamafy ny fitondrana ifotony, ary hampitombo ny fahatsapan’ny olom-pirenena fa manana anjara amin’ny fitantanana sy fampandrosoana. Kanefa, zava-doza raha sanatria tafiditry ny politika fampisaraham-bazana sy ny fitiavan-tseza, ka lasa fitaovana hanapariahana fankahalana sy fizarazarana. Ny adidy lehibe dia ny mitady fifandanjana: ny rafitra rehetra dia tokony hanamafy ny firaisankina fa tsy hanimba azy. Ny fanjakana federaly dia mety ho fitaovana hanamafisana ny demokrasia, saingy raha tsy voafehy dia mety hitarika ho amin’ny fikorontanana sy ny fizarazarana. Ny tantara dia mampiseho fa ny firenena maro nanandrana izany rafitra izany dia nahita tombony, nefa mety misy koa ny loza naterak’izany rehefa tsy nisy fitandremana, indrindra fa manana ny tantarany sy soatoaviny manokana ny Firenentsika. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia hoe: ho vitantsika ve ny hanangana rafitra vaovao hanamafy ny firaisan-kina sy ny fitokisan’ny vahoaka, sa sanatria ho lasa fitaovana politika hanakorontana sy hampisaraka ny firenena? Ny valiny dia miankina amin’ny fahendrena sy ny finiavan’ny mpitondra sy ny vahoaka. Tsy misy tsy vitan'ny teny ierana anefa fa ny irariana dia ny tena hizorantsika amin'ny fanavaozana miantraika amin'ny fiainam-bahoaka, hahitan'ny Malagasy isam-batan'olona ny tena anjara masoandro mendrika sy sahaza azy.
Toky R