fanagadrana ara-politika », rehefa raikitra ny fanenjehana ara-pitsarana rehefa misy fiovana fitondrana iray. Ampidirina anaty lasaka iray avokoa na ny nangalatra sy nanodinkodina volam-panjakana na ny nogadraina noho ny fomba fijery politikany, ka toa ampitoviana ho iray lasitra daholo. Ekena, mety misy ny fifamaliana faty politika, saingy sahy miteny ve ireo mpitondra maro nifanesy fa tena nadio tanana sy nitantanana ny Firenena tamim-pahintsiana sy am-pahamendrehana ary tena nitsinjo ny tombotsoam-bahoaka sy ny Firenena ? Sahy milaza fa tsy nangalatra sy nanao tantely afa-drakotra ary tsy nanao trafikana harem-pirenena ? Tsy nanao ampihimamba sy namotika ny hafa ? Tsy nanodikondina volam-panjakana sy nanararao-pahefana ? Tsy misy faly amin’ny hifanenjehana sy hifamaliana faty lava eto, fa ny namafy rivotra tokony hijinja tadio, mba ho anatry ny ho avy ! Ekena fa tsara ny dinika hoenti-manorina Firenena, hametrahana lasitra sy lamina vaovao,… saingy tsy midika fa fanadiovana ireo mpangalatra sy mpambotry Firenena. Tsy ekena ny tsimatimanota, saingy ny Fanjakana na mpitondra mipetraka manenjika ny tsy mety teo aloha ihany koa dia tokony ho madio. Tsy tokony hatao fialokalofan’ireo tanalahy politika matahotra ny tsy ho lany ihany koa ny Fanavaozana, ka ny heverina fa fositra sy nitsikombakomba omaly ihany no hiofo hisora-tena ho madio tsy misy pentina anio. Mbola hanohy ny teo aloha sa tena hanavao ?
Toky R