Maherihery vaika ny fanehoan-kevitra ! Tena misy miketrika kajikajy avo lenta aza misoko miadana. Tranga isan’ny miharihary ohatra ny famelezana mivantana mpitondra ambony eny amin’ny tambajotran-tserasera. Nangotraka tao anatin’ny herinandro ohatra ny fandotoana sy fanosoram-potaka mahazo ny Praiminisitra. Narahin’ny famoahana sarintsarina tsapan-kevitra na « sondage » entina hampalazana olona tiana hasisika ho Praiminisitra. Tsy miaro na manohana olona ambony hijanona amin’ny toerany, na koa tsy mankasitraka ny mety hametrahana olona hafa amin’ny toerany, fa lojika ve ny fikasana hanongana Lehiben’ny governemanta izay avy namolavola sy nanolotra ny Politika ankampoben’ny Fanjakana ? Misy te hamboly krizy amin’ny andrim-panjakana ka hatao izay hihozongozonan’ny mpanatanteraka ? Tiana haseho sy haharihary fa misy krizy politika eto ? Misy vondron’olona sy vondrona ara-toekarena te hamerina ny sary te aloha ka hifehy ny rafitra rehetra mba hampandeha ny afera sy ny bizina ? Ekena ary zava-dehibe ny nilazan’ny Filoham-panjakana fa tsy misy mibaiko azy, izay mahavelombolo, saingy misy ihany ny sary miseho mety miteraka ahiahy tsy hihavanana. Efa nisafidy ny làlan’ny fanavaozana isika dia irariana mba tena hizotra makany amin’izany satria vao mainka loza noho ny teo aloha raha sanatria isika ho tafiditra amin’ny fomba fanao efa tsy mety. Ekena fa tsy mora ny mitondra Firenena, tsy mora ny miala amin’ireo fanao ratsy ara-politika nisy teo aloha,… saingy lesona lehibe ho antsika ny tantara efa niseho indrindra fa ny anton’ireo krizy, ka irariana mba tsy ho alaim-panahy hivaona ny Fitondrana fanavaozana satria mety manova olona ny fahefana. Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa !
Toky R