airtel

Edito

20-janv-2021

Edito

Mameno kapoaka

Sample post image

Malaza indray moa tato ho ato ny resaka kapoaka. Anatina fanapahan-kevitra

20-janv-2021

 

 

goavana momba ny fifehezana vidim-piainana no nahenoana karazam-bahaolana izay nametrahana ity akora iray ity ho fitaovana ilaina voalohany hahatongavana amin’izany fifehezana ny vidim-piainana izany. Tsy mbola heno tao anatin’ny 60 taona izany hoe mba hampidinana ny vidin’entana na vidim-piainana dia aleo ny kapoaka famarana no jerena izay azo hanamboarana azy. Tena lojika hampidina ny vidim-bary tokoa ve izany, ohatra? Nandeha teo ny fanerena ny amin’ny tokony hampidinana ny iray kapoaka ho 550 ariary saingy niaraha-nahita anefa ny tatitra sy fitarainana voarain’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa tamin’ireo mpandraharaha anatiny fa miha mameno kapoaka hafa indray izany ity fanerena mpandraharaha avy eto an-toerana hivarotra vokatra nafaran’ny fitondram-panjakana avy any ivelany ity. Tsy inona akory izay kapoaka hita ho niha feno izay fa ny fahasorenana vokatry ny fiheverana ho fahitana famonoana an-kolaka ny tsena anatiny. Enga tokoa anie ka ho tsapan’ny vahoaka Malagasy manontolo ny vokatra miabon’izay lazaina fa fanapahan-kevitra miankina amin’ny kapoaka haroson’ny fitondram-panjakana izay, raha hisy, mba tsy ho sanatria resaka fahafenoana kapoaka hafa ankoatr’izay efa voalaza rehetra teo no hitranga ka hampipoaka hatramin’ny sarom-bilany, hoy ny fomba fiteny izay, ka vao miha hampikoroso fahana firenena indray.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap