airtel

Edito

20-févr-2025

Mampitafy henatra !

Sanatria toa tsy mba misy endrika sy laza tsaran’i Madagasikara

Sample post image

miako fa takon’ireo faharatsiana sy tsy fahombiazana samihafa.

20-févr-2025

Saron’ny fanarontsaronana fahantrana, fanadiovan-tenan’ny mpitondra, tsy fahombiazana amin’ny endriny maro,… Ezahana lalaovina amin’ny serasera samihafa rehefa makany ivelany, ary tena havanana amin’ny fanomezana lesona ireo mpitondra eran-tany ny mpitondra antsika, tahaka ny efa paradisa kely i Madagasikara rehefa mandeha ny kabary,… Eny tena mandeha hatramin’ny hoe : mizara fahaiza-manao momba ny haitarika na « leadership » ny mpitondra antsika rehefa any ivelany fa voalohany aty Afrika amin’ny fahaiza-mitarika hono e ! Asa re izay endri-pifidianana tany, asa re hoe : iza no nandatsa-bato tany, asa re na fifidianana mba tena notarafina tamin’ny zava-misy na sarintsarim-pifidianana tahaka ny fahita an-tanàna,… Dia tena tahaka izao ve no tokony ho endrika sy fandrosoan’ny Firenena tantanan’ny mpitantana mahay indrindra aty Afrika ? Mampirehareha ve sa kosa mampitafy henatra ny Malagasy izao fahantram-bahoaka sy fahasahiranana mandifotr’olona izao ? Tena mampanongo tena ny zava-misy eto, ary tsy maniry loza ho an’ny Firenena fa mbola mampanahy bebe kokoa ny ho avy. Ny mpitondra mety milamin-tsaina amin’ny tombotsoa sy vola tsy toko tsy forohana igalabonany fa ny vahoaka maro an’isa mba ho aiza eo anatrehan’ny fahatapahan’ireo tetikasa sy famatsiam-bola sitrahana avy amin’ireo firenen-dehibe sy ny rantsa-mangaikany ? Moa mba efa manana politika mazava hiatrehana an’izany ve isika raha tsy hilaza afatsy ny ara-pahasalamana, ny rano fisotro madio, ny tohana ara-pambolena, ny ara-tontolo iainana,… Mba manana lasitra ara-toekerana mahomby ialana amin’ny fiankinan-doha manoloana ny tsio-drivotra iraisam-pirenena ve ka hitohy amin’ny politikan’ny seserara sy fakana sary tsy mamokatra isaky ny mivoaka any ivelany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

ho an’ny mpitondra ankehitriny ny manao amboletra mandrombaka sy

Card image cap
20-mai-2025

tsy fandriampahalemana,

Card image cap