mampita hevitra tsara, tsy kivy, na dia mbola vitsy aza no mandray izany satria samy maniry fiarahamonina tsaratsara kokoa any aoriana any. Ny olon-kendry no itenenana sy anarina, hoy kosa tetsy ankilany, ny mpanao politika iray, ka manoloana izao fomba fitantanana izao dia mety kokoa ny tsy miteny intsony. Samy manana ny fomba fijeriny arakaraky ny sehatra misy azy avy moa ny olompirenena tsirairay sy ny olombelona rehetra ary natao ho tsakotsakoina sy fakafakaina ireny rehetra ireny mba hijerena hoe inona marina izany no tokony atao eto amin’ity firenena ity na ity fiarahamonina misy antsika ity raha izao iaraha-mahita ankehitriny izao no zava-misy? Manana ihany aloha raha mbola velon’aina. Fitenin’ireo ray aman-dreny matetika amin’ny zanany koa nefa izany, indrindra, zanaka heverina fa manao ditra. Mananatra ihany aloha raha mbola nomen’ny mpahary fofonaina afaka mananatra! Iaraha-mahalala sy mahita io izany ankehitriny ny toe-draharaham-pirenena, amin’ny lafiny rehetra, fa ny teny tokana mahafehy azy dia ny hoe «marary». Na ara-politika io na sosialy na toekarena na fandriampahalemana na fanatanjahantena na kolontsaina na inona na inona dia samy ahenoana taraina mikasika azy daholo. Ny JIRAMA, efa ela ny olana no tsy voavaha ary vao mainka aza ny hoaviny miha mampanahy. Bokan-trosa miavosa! Ny resaka fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo, hatramin’izao tsy mety mijanona ny olona, indrindra, tanora vonoiny. Nitombina tokoa ny tenin’ny filoham-pirenena ankehitriny fa ho vitany anatin’ny 5 taona ny tsy vitan’ny mpitondra hafa teo alohany tanatin’ny 60 satria dia vao avy nanamarika ny faha 65 taonan’ny 26 jona 1960 isika teo ary dia nitovy tamin’ny trosa vitan’ireo mpitondra teo anelanelan’ny taona 1960-2018 izany ny trosa vitan’izao fitondràna izao teo anelanelan’ny taona 2019-2025, hoy ny fanamafisan’ny sendikan’ny mpiasa teo anivon’ny SSM azy ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’izany rehetra izany ny filoham-pirenena dia mbola sahy milaza hatrany fa niady mafy hatrany izy sy ny fitondràny ary mizotra mankany amin’ny antsoina hoe fampandrosoana isika io. Toy ny rano nararaka tan-damosin’ny gana ve izany ny vahaolana sy sosokevitra naroson’ireo ivelan’ny fitondràna sy ireo tsy mitovy firehana amin’izao fitondràna ankehitriny izao? Na eo aza izany rehetra izany, tsy kivy, mananatra ihany aloha!
J. Mirija