airtel

Edito

11-mars-2021

Edito

Mandady ny trambo

Sample post image

Tsy mitsahatra maneno ny anjomara, fa misy zavatra tsy milamina sy tsy araka ny antenaina

11-mars-2021

 

 

 ny fomba fitantanana ny firenena. Raha ny mpanohitra sy ny ivelan’ny fitondrana, dia mety mbola ho azo adika ihany hoe: fialonana sy fanakorontanana na koa fitiavan-tseza io. Angamba efa zavatra hafa kosa raha ny mpiray donak’afo ao ao anaty fitondrana no misintona lakolosy, fa misy zavatra tsy mandeha ao. Notokanana ny adin’akoho tany Antsiranana ny talata teo, fa ny adin’akoho na koa efa efa adin’ombalahy ao an-dapa ao ihany koa toa efa mangotrangotraka. Hatramin’ny haino aman-jery sy fandaharana natao hanohanana ny fitondrana sy hamelezana ny mpanohitra aza no efa mamely ny minisitra ao anaty governemanta, ny depiote mpanohana fitondrana izay tsy mijanona amin’ny isa iray fa efa roa no efa niteny, fa misy tsy mamely ao anaty governemanta. Ny hafa tsy miteny, dia mba efa mazavazava ihany ny fijerin’ny sasany satria niara-nitolona sy nanao ny ainy tsy ho zavatra izao ihany, saingy ny hafa no miravaka ny vanginy. Efa nalaza teto ny fifamaliana sy fifandrahonana tamina olom-boafidy sy olom-boatendry any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ireny ve tsy tandindon’ny fahalovana sy faharavan’ny Fanjakana? Ny toeram-pampiadiana akoho tany Antsiranana voatokana, fa ny adilahy politika miandrika adin’akoho ao anaty fanjakana toa hanahirana. Hihemotra maty raibe, hihemotra maty renibe,… satria efa mahalala zavatra ny ankamaroany. Ny sasany indray toa sanatria manao takalon’aina ilay Filoha sy ny fanjakana ka mihevi-tena ho tsy ho azo kitihina na efa manondrana sy manala-baraka fitondrana matetika aza. Ao ihany koa no mihevitra ny ho eo mandrakizay, ka tsy mifidy vava havoaka sanatria toa manao gisalahy mangala-ketsa,… Mandady anefa ny trambo, ary misy fetrany ny zava-drehetra, ka asakasak’izay mihevi-tena ho tompon’ny hery sy fahefana ary ny voninahitra mandrakizay doria amen.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap