airtel

Edito

13-janv-2021

Edito

Marary jiaby

Sample post image

Marary ny sosialy, toekarena, kolontsaina, fanabeazana. Saika ny sehatra rehetra. Marary daholo !

13-janv-2021

 

 

 

 

 Ny angovo efa tsy hisy intsony. Efa tsy misy miafina amin’ny rehetra intsony angamba ity afitsoky ny Jirama ity. Efa tany amin’ny taona manodidina ny 1970 sy 1980 tany ho any no nahenoana nihira izany hoe “mbola tsy salama mantsy ity tanindrazantsika ity” izany. Tsy hita intsony izay azo amaritana azy ankehitriny raha ampitahaina amin’ny olombelona. Mitovy amin’ny olona mararin’ny tazo ve? Toa efa tsy izany intsony! Mitovy amin’ireo anaty tsy fahatsiarovantena lalina ve na “a l état comateux ”, hoy ny frantsay izay ? Manalasala ! Raha izao no mitohy dia mety ho lohalaharana amin’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany mihitsy isika fa tsy faharoa avy any amin’ny farany intsony, hoy ny mpandinika iray izay. Toy ny milaza izany fa efa am-bivitra mihitsy ny ain’ilay firenena. Ny harenany alain’izay te handroba ao rehetra. Tsy misy mibedy. Ny vahoakany miraviravy tanana manoloana ny fahantrany miavosa. Ny mpitondra moa fihetsiketsehana sy seho ivelany no tena hamenoany ny kianja. Ny ankoatr’izay hatreto mijanona hatreo amin’ny tabataba. Hiara-kitazam-potsin’izao fahalovana mitombo andro an’alina izao ve izany ny rehetra ?

 

J. Mirija

 

Haut du formulaire

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap