airtel

Edito

31-juil-2026

Marary ny fiarahamonina !

Marary ny Firenena, fofoana

Sample post image

ny ain’ny zaza sy ny tanora,

31-juil-2026

iniana akorontana ambony ambany ny fiarahamonina, aparitaka ny tsaho hany ka tonga amin’ilay hoe : « ny valala misy ny mpilaza mahay ». Tsy finiavana hanakiana na hitsikera sanatria fa toa mitady ho zary tsy dia manana kolontsaim-pandinihana sy famakafakana hanavaka ny mety sy ny tsy mety, na marina sy ny diso, ny fotsy sy ny mainty,… intsony ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Endrika isehoan’izany io resaka fitsaram-bahoaka io, izay mahonena ohatra ny nahita ilay lehilahy iray tany Faratsiho voatondro ho mpangala-jaza kanefa dia olona manana fahasembanana ara-tsaina, ny nahita ilay teny Behoririka izay voalaza na notondroina ho nangalatra « tondeuse » izay tsy afaka hitompo teny fantatra isika na nanao izy na tsy nanao fa kosa amin’ny maha olombelona dia tena mampanongo tena ny nanaovana azy nampilanjaina soratra ho mpangalatra,… Ekena fa tokony ho faizina ny manao ny tsy mety saingy misy ny lalàna na tsy tonga lafatra aza. Eny mety betsaka no hiteny hoe rariny raha vonoina ho faty ny mpamono olona, fa ny zava-doza anie dia ny tondro molotra, halako bika tsy tiko tarehy,… Marary ny fiarahamonina, mila fanarenana, mila fanabeazana, mila fihavanana sy firaisankina,… Mila manangana firenena sy vahoaka mifampatoky, mpitondra manao ny marin satria zary lasa ny fihetseham-po sy hatezerana no mibaiko, hany ka betsaka no mety manaonao foana, manao ny tsy fanao. Tsy hifanomezan-tsiny be fahatany, fa hitarihana ny sain’ny rehetra hoe sanatria ve isika ka mbola hanondraka menaka amin’ny afo efa mirehitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-juil-2026

aman-drà isika, hoy ny toritenin'ny

Card image cap