ara-tsosialy ankehitriny noho ny fambolena horohoro, hala-jaza, vono olona,… Somary mafana fa ny olona raha vao misy hirika sy filazana na fanondroana olona ahiahiana ho tompon’antoka amin’ireny tranga ireny eny amin’ny fiarahamonina. Dia iny niseho tany Maintirano iny ny tranga mampivarahontsana satria hatramin’ny biraon’ny mpitandro filaminana aza nidiran’ny vahoaka, tsy nahasakana ny hatezeran’ny maty havana ny polisim-pirenena, fa dia noloaran’ny olona tao anatin’ny fonjakely nitazonana azy ny olona noahiahiana, ary nodorana velona,… Ny teto Antananarivo dia nisy ireny tranga maromaro ireny ny herinandro teo. Tao ny fahatezerana noho ny fahasosorana satria leo tsy fandriampahalemana, hany ka saika niafara tamin’ny ain’ireo noahiahiana toy ny tranga teny Tsaramasay. Tahaka izany ihany koa ny tranga nahatrarana lehilahy iray voalaza fa nanendaka findaina vehivavy nitondra zaza teny Ampasampito,… Toa tsy ao an’eritreritry ny olona sasany intsony izany hanolotra ireo heverina fa nanao ny tsy nety amin’ny manam-pahefana fa ny hamono sy hanapitra ny ainy no tonga ao an-tsainy. Tsy maharototra intsony ny mahita olona maratra mafy na mihosin-dra na sanatria miala aina mihitsy aza,… Endrika maneho fa miova tanteraka ilay fiarahamonina Malagasy, ka andaniny dia ao ny manao ratsy tsy misy tahotra mandatsaka aina, misy ny mety tambazam-bola hanakorontana sy tonga hatrany amin’ny vono olona mahatsiravina aza,… Ankilany, maro no tsy miraharaha sy tsy matoky fahefam-panjakana intsony ka manao izay saim-patany. Midika fa tena mila alamina ny Firenena, mila alamina ny fiarahamonina, averina ny fifampatokisana, mila maneho sy tsapan’ny vahoaka fa tena azo itokisana ny Fanjakana, ary mila manaja ny tany tan-dalàna ny vahoaka,… fa raha izao no mitohy dia asa izay hiafaran’ity Firenentsika ity.
Toky R