airtel

Edito

19-mai-2026

Maro havaozina tokoa!

Rehefa mijery miandalana isan'andro

Sample post image

ny fipetraka sy firafitry ny tranga mpiseho

19-mai-2026

isan-tsehatra eto amin'ity firenena ity, na faritra aiza io na aiza, dia tsikaritra ho maro havaozina tokoa ankehitriny ity firenena ity. Betsaka no mila asiana fanamboarana, na lafiny fomba fiaina sy fahaiza-miaina fotsiny aza, hoy ireo karazana mpitarika na "leader" eto amin'ny firenena. Miteny izany daholo na mpitaiza tanora na mpitondra fiangonana na ny avy amin'ny fikambanam-behivavy saingy ny maha lasa saina ny rehetra nefa izany izao dia ny hoe aiza no hanombohana azy ity? Io izao ireo toeram-pivavahana samihafa, na Miozolomanina na Kristianina na inona, dia saika ahitana trangana korontana efa mivoaka hitan'ny ety ivelany fa tsy voalamin'ny samy ao anatiny intsony. Mirongatra indray io ny tsy fandriampahalemana. Tapa-doha atsy. Varira tsy hita aroa. Mbola marary ny toekarena. Marary ny fizahantany. Mbola maro ireo toe-draharaha manjavozavo amin'ny olompirenena ny tena marina momba azy. Ireny no mba fahavitrihan'ny tanora hikaon-doha hijerena ny hoavin'ity firenena ity. Tranga izay heverina fa tsy vao ny zava-nisy androany akory no nahatonga ireny fa nisy tarazo ara-tantara sy lova tarazo samihafa ao. Tsy lova taranaka na hoe lova tsara avy amin'ny razambe fa lova tarazo na fahalemena nitarazoka mety ho nifandimbiasana rindran-tarika na "générations" maro mihitsy. Maro havaozina tokoa ity firenena ity!
J. Mirija


 

Dans la même rubrique