airtel

Edito

08-sept-2026

Mba ho lany fotoana!

Nalaza ho fasana tetikasa ity

Sample post image

firenena ity tao anatin'izay

08-sept-2026

rivotry ny repoblika nanomboka ny taona 1958 izay. Atrikasa, fikaonandoha, dinika, loabary an-dasy, rehefa karazana fivoriana tsy nisy tsy natao teto. Tsy nety tafavoaka tanaty fahantrana nefa ilay firenena. Ny fomba fanao sy fahita hatrizay hatrany no niverimberina na teo aza ireny karazam-pivoriana ireny. Fifidianana hoe Eny sa Tsia isany. Fifidianana filoham-pirenena koa anatiny. Niverimberina ny fifanonganana an-dalambe. Tsy nety tafarina ny toekarem-pirenena satria tsy hiteraka vokatra vaovao mihitsy ny fomba fanao mahazatra. Lojikam-piainana izany na aiza na aiza eto ambonin'ny tany. Mifarana amin'ity anio ity moa izany ny fakàn-kevitra natao tamin'ireo mpisehatra politika eto amin'ny firenena teny Iavoloha teny. Heverina sy inoana ary antenaina, noho izany, fa mba hahay haka lesona amin'izay ny firenena manontolo amin'ity indray mitoraka ity mba tsy ho lany fotoana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

haloaky ny ampitso mikasika ny

Card image cap