izay tsy resaka fandokafana sy fanasohasoana be fahatany fa misy ny vokatra sy fomba fiasa mahavelom-bolo raha tarafina amin’ny 3 volana vita, dia tena manao izay ho afany ihany koa ny mpamingana. Mandeha ny fiezahana hampisavorovoro ny samy mpitondra ambony, mihamafy ny famoronana tsaho sy fanasoketana olona ambony,… Ny fiandrasana an-kendritohana amin’izay mety ho teny solafaka na fanapahan-kevitra mety hiteraka resabe moa tsy lazaina intsony, ka tokony hanamafy ny fitandremany sy hanitsy ny lesoka ny fitondrana. Fomba fiady politika hita taratra tato ho ato ihany koa ny firondratr’ireo andian’olona samihafa na fikambanana, na antoko, na mpanao politika,… misora-tena ho tompon’ny tolona, milaza ho nanao an’izatsy sy izaroa,… Mandeha ny endrika fitakiana samihafa eny fa tonga hatramin’ny fandrahonana mivantana na ankolaka ny mpitondra aza izay saika fitadiavana seza sy tombotsoa ny ankamaroany ! Mitombo ny misora-tena ho mpanohana ny fitondrana kanefa mivadika ho lasa mpikarama an’ady politika, lasa mamingana namana,… Taratr’izany ireny fifandonana misy amin’ireo tanora samy milaza ho nitolona ireny, ka ny mety ampahan-dresaka manokana nifanaovana noho ny fifampitokisana no hitarina entina hanaratsiana ny fitondram-panjakana. Dia mbola haverina ihany mba hisaintsainan’ny rehetra hoe : mby taiza sy nanao ahoana ny toe-draharaha teto amin’ny firenena nanoloana ny mpitondra jadona sy mpamono vahoaka raha tsy niditra an-tsehatra ny tafika ? Tsy manamaivana ny tolom-bahoaka izay fototra niaingan’ny rehetra fa moa tena afaka nanatsimbadika ny rasa ve ireo misora-tena sy miezaka mivoy andro aman’alina ho tompon’ny tolona raha tsy nifanome tanana tamin’ny vahoaka ny miaramila ? Firy taona ny antoko politika no nanao izay ho afany fa tsy tafavoaka ? Samy nanana ny anjara birikiny tao, saingy tsy ho mpitondra sy mpanapa-kevitra daholo ny vahoaka 30 tapitrisa fa misy ny natao hitondra ary ao ny natao hoentina. Marina fa te handray anjara ny rehetra, saingy tsy tokony hohadinoina ny hoe Firenena no resaka eto fa tsy mofomamy ! Ny tsy maty voalavo an-kibo misy foana, fa ny tena poizina dia ny manao mpamosavy malemy. Marina fa misy ny lesoka izay irariana mba hahay hanitsy ny mpitondra, fa mba tsy rariny kosa angamba raha fitondrana 3 volana no andeha hozongozonona noho kajikajy politika maloto !
Toky R