airtel

Edito

23-janv-2025

Mbola hiharitra mandra-pahoviana ?

Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ny fiainam-pirenena.

Sample post image

Difotra ao anaty tsy fahaiza-mitantana sy fijotsoan’ny Firenena.

23-janv-2025

Milentika tanteraka ao anatin’ny fahantrana lalina, tsy misy taratra vahaolana sy fivoarana. Hatramin’ny mpitondra lasa songonan’ny zava-misy, ka arakaraka izay zava-mitranga ny fanapahan-kevitra, manginy fotsiny ny hevitra manidintsidina eny antsefantsefany eny, tsy misy fijerena sy fandinihana firy izay soa ho an’ny besinimaro fa dia faly hanao zavatra mamirapiratra sy mahafalifaly ny mpitondra. Pimaso politika no zary lasa hita etsy sy eroa, raha tsy hilaza afatsy ny resaka fizarana vola izay hampilaharana sy hampijaliana vahoaka amin’ny hatsiaka sy ny danikandro na ny orana. Fahafinaretana ho an’ny mpitondra ny mahita fa lany andro, mitandahatra, mitady izay harapaka ny olona,… hany ka tena atao tahaka ny akoho hoe : na volosana hivoa-drà aza tonga foana rehefa tsipazana fotsim-bary. Henjana ny fidangan’ny vidim-piainana dia nampidinina kely ny vidin-tsolika, fa moa tena misy fiantraikany amin’ny vidim-piainana ? Mafampana ny toe-draharaha, miakatra ny maripana politika, dia ny fanomezana baiko sy toromarika ireo rafitra manam-basy sy manana fahefana isaky ny faritra no atao mba hanenjanan’ireny. Tsy tena misy lalan-kivoahan’ny Firenena hita soritra aloha hatreto, fa toa zary lasa manana endrika fonjabe mitafo lanitra i Madagasikara. Any amin’ny Firenen-kafa, vao misy zavatra tsy mety, henjana ny tsindry mahazo ny mpitondra, ary miongotra amin’ny toerana, fa eto amintsika terena amin’ny basy aman-tafondro hisotro ny rano tsy tiana. Haharitra an’izao mandra-pahoviana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

andron’ny 17 martsa ! Kihon-dàlana iray nahatanterahan’ny fanonganam-panjakana tamin’izany.

Card image cap
14-mars-2025

sinoa antsoina hoe : Sun Tzu tany amin’ny taon-jato faha-6 talohan’i Jesoa kristy

Card image cap