hitondra fanovana eto amin’ny tany sy ny Firenena. Tsy mora ny manova, tsy mora ny manentsina ny lavaky ny fahapotehana tao anatin’ny taona maro,… saingy miandrandra sy manantena vokatra ny Malagasy amin’ny dingana fametrahana fiaingana vaovao ho an’i Madagasikara. Tsy misy ny tonga lafatra 100%, ary tsy voatery hahafa-po tanteraka ny vahoaka manodidina ny 30 tapitrisa izy ireo. Tsy anjely hitondra fahagagana satria iarahana mahalala ny zava-misy sy olana mitranga satria na ny vola hampiodinana ny Fanjakana aza mety olana. Na izany aza, tsy afaka ny hialokaloka amin’ny olana fa matoa aloha izany nanolo-tena, matoa notendrena, matoa nomena fitokisana,… dia manana vahaolana sy mila mitondra vokatra sy tamberiny amin’ny vahoaka sy ny Firenena. Mila maneho ilay tena fanovana nandrandrain’ny Malagasy sao sanatrian’ny vava ho ny teo ihany no miverina fa ny olona sy ny tarehy no misolo. Any amin’ny Filoham-panjakana sy ny governemanta ny mason’ny Malagasy izay mino sy manantena fa miditra amin’ny pejy vaovao ny Firenena. Betsaka ireo pitsopitsony stratejika izay tsy miankina amintsika irery, fa mitaky kosa fahaiza-manao sy fahaiza-mandresy lahatra avy amintsika toy ny fiarahana miombon’antoka amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manginy fotsiny ny fahaiza-mitantanana, fahaizana miatrika sy mamaha olana, fipetrahana ho ohatra sy fitaratra eo anatrehan’ny vahoaka,… Matoa niditra eo dia mahalala ny olana sy sedra miandry, ka irariana mba ho olon’ny vahaolana fa tsy ho olon’ny fampanantenana poakaty sy mpivarotra nofinofy toy ny teo aloha. Betsaka ihany koa ny sehatra marary eto, tsy ny toekarena ihany no potika, tsy ara-batana sy ivelany fotsiny ny fahantrana,… fa tena potika sy rava hatramin’ny soatoavina, marary hatramin’ny fomba fisainana noho ny kolontsaina niorina tamin’ny gaboraraka sy ny tsy fanajana lalàna, ny kolikoly sy fitiavan-tena niniana novolena teto an-taonany maro. Ny zava-drehetra noho izany no mila fanovana izay mitaky fanabeazana sy fiovana miainga avy any an-tampony ka hatraty ifotony. Mila miainga avy any ambony ny ohatra, mila mpitondra hendry sy tena tia tanindrazana, mila vahoaka tonga saina fa miainga amin’ny isam-batan’olona ny fanovana,…
Toky R