airtel

Edito

31-août-2021

Edito

Miandry fahatongavan-tsaina

Sample post image

Ny tany Frantsa aloha izany nisy iny tafatafa tafo lanitra nandretirenty tokana ny sainam-pirenena frantsay iny. 2 andro taorian’ny nanaovan’ny

31-août-2021

 filoham-pirenena frantsay izany tamin’ny filoham-pirenena Malagasy dia nandray ny filoha iranianina indray izy saingy soa aman-tsara tao an-dapa ary ny sainam-pirenen’ny 2 tonta no nirenty tao anatiny tao. Nisy ny nolazain’ny filoha frantsay tamin’ny filoha Malagasy fanomezana fanampiana ho antsika, hono, izay tsy ho ampatsiahivina angamba ny lelavola fa samy miara-mamisavisa koa ny mpanara-baovao hoe ampy ho antony tsy niresahana ny mikasika ireo nosy manodidina loatra ve ireny karazam-pifandraisana niseho ireny? Tsy lazaina intsony moa ny fanalam-barakan’ny gazety iray niparitaka hoe tany an-toerana nilaza fa nanitsakitsaka ny sakana ara-pahasalamana ny filoham-pirenena Malagasy. Fanontaniana heverina ho goavana mamintina ny fifandraisantsika amin’ity firenena iray ity ankehitriny ny hoe aiza ho aiza daholo tokoa moa izany tao anatin’ireny rehetra ireny ny tokontanin’ireo lazaina fa tolona nataon’izao fitondrana izao ho ambom-pom-pirenena sy ho fiandrianam-pirenena? Isany, ohatra, ilay resaka mikasika ireo nosy manodidina voalaza matetika io? Ekena mihitsy hoe tsy vao sambany nizaka fahafaham-baraka tao anatin’izao fitondrana izao ity firenena ity saingy samy mahay ilay oha-pitenenana hoe “soa lavo hahay hamindra avokoa” angamba raha mbola nitondra teto. Niaraha-nahita sahady indray anefa ireny ny tranga nisy omaly maraina ny fiverenan’ny tsy fahaiza-mametra fihetseham-po an’andriamatoa filoha toy izay efa niseho raha toa izao ahamehana ara-pahasalamana izao ka mbola fotoana fohifohy no niandoha. Ny heverina ho tokony zanaka an-trano indray no bedy sy voasoketa ary nolazaina fa nanala Baraka firenena mihitsy kanefa kay izy ity ka efa fanapahan-kevitra iraisampirenena efa ela. Na eo aza moa izany rehetra izany dia mbola miandry ny fahatongavan-tsainan’ny mpitondra maro hatrany mba hitandrina ka tsy hiverenana intsony amin’izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap