airtel

Edito

09-janv-2023

Edito

Miandry foana !

Sample post image

Miandry foana satria fitia ny aty”, hoy ny hiran’ny tarika Ivoara izay. Resaka fitiavan’olon-droa moa ny an-dry zalahy iny fa ny vahoaka malagasy koa izao dia mbola miandry foana izay tena fepetra matotra raisin’izao fitondrana izao

09-janv-2023

manoloana ny zava-misy fanetribe tsy mampandeha araka ny tokony ho izy eto amin’ity firenena ity mba tsy hilazana hoe tsy manatsara ny fiainan’ny isan-tokantrano. Mety misy resaka fitiavana ihany ao fa fitiavana filaminana na koa hoe tsy fitiavana hikorontana intsony na dia miha mafy hatrany aza ny iainana isan’andro satria tena misy tokoa ireo mpanararaotra mampiakatra isan’andro io vidin-javatra ao an-tsenany io ireo mpivarotra. Hita eny amin’ny fiarahamonina eny izany ary efa ela no nitabataba izany ny mpanara-baovao hoe mba jereo! Toy ny efa fanaon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana hatramin’izay tokoa na iza na iza minisitra teo, nidina ifotony indray ireo mpanara-maso avy amin’ity minisitera ity dia nilaza indray fa ho enjana ny sazy ampiharina amin’ireo manararaotra. Dia miandry izay sazy izay indray izany ny rehetra ary mba te hahafantatra mihitsy hoe iza na iza avy ary inona no antony? Sao dia mba misy mpandraharaha vaventy manao ampihimamba tsy sahin’ny mpitondra fanjakana kitihina ao? Fanontaniana efa nipetraka teo aloha izany ary mbola averina apetraka foana satria tsy miova mihitsy ny fepetra raisin’ilay fanjakana na inona na inona hadirin’ireo olana misy na “gravité de la situation”, hoy ny vazaha! Aty amin’ny resaka filana andavan’andro na PPN, midina ifotony dia milaza fa handray fepetra na hanasazy fa tsy hita mihitsy hatramin’izao hoe inona ilay tena vahaolana maharitra manoloana ilay zava-misy? Efa fantatra fa manimba fihariana sy fivelomana maro mihitsy ilay delestazy sy fahatapahan-drano. Tsy misy ny vahaolana maharitra fa hoe efa mandray andraikitra dia “alefa JIRAMA”. Olana ny tsy fandriampahalemana, ny fahapotehan’ny lalana, ny hetra midangana isan-karazany dia reko ny fitarainanareo, hoy ny filoham-pirenena, dia hatreo. Hatreo amin’ny fampanantenana foana aloha hatreto hatramin’ireo fotodrafitr’asa lehibe toy ny tanamasoandro sy flyover na lala-migodany. Miandry saingy hatreto aloha izany dia miandry foana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap