airtel

Edito

21-oct-2025

Miandry izay ho afitsony!

Miandry izay ho afitsony izany

Sample post image

isika ankehitriny ny amin’ny hoe hitondra

21-oct-2025

rivo-baovao eto amin’ity firenena ity tokoa ve izao rafitra natao hanorina repoblika vaovao izao? Fanorenana moa no resaka. Fantatra iny ny praiminisitra vaovao. Anarana izay niteraka adihevitra be sahady noho ny fipoirana tahirin-kevitra maro fa tena akaiky ilay fitondràna teo aloha sy ny forongony izany praiminisitra vaovao izany. Miandry izay ho afitsony isika kanefa koa, raha ny tokony ho izy izany, dia andrasana ihany koa isika hihevitra aloha fa misy andraikitra miandry antsika mianakavy ao anatin’izay antsoina hoe fanorenana ny firenena manomboka eto izay. Tolona nampiainin’ny tanora no nitondra amin’izao lalan’ny fiovàna eto amin’ny firenena izao na dia azo ambara aza hoe mpanao politika ireo nampaneno ny lakolosy nanomboka ny 18 septambra 2025. Ankehitriny dia mahavelombolo ny mahita tanora, olompirenena, sehatra mivelatra be fa tsy mifantoka amin’ireo mpanao politika ihany mivoy fanorenana miainga eny ifotony eny. Manomboka amin’ny fihetsika madinika izany toy ny hoe tsy manarinary fako eny rehetra eny na manao maloto etsy sy eroa. Mifady ny endrika kolikoly samihafa manomboka any amin’ny fokontany sy faritra teritery na kelikely misy fiarahamonina any. Manaja ireo heverina hoe raiamandreny amin’ny alalan’ny fanomezana toerana azy ireo any anaty fitateram-bahoaka any. Toy izany koa ny fiezahana miala amin’ny fametrahana fiara eny amin’ny lalan’ny mpandeha tongotra na ny mivarotra amoron-dalana. Hajaina ny hoe arabe an’ny fiara sy fitateram-bahoaka, ny tsena an’ny mpivarotra, ny sisin-dalana an’ny mpandeha tongotra. Santionany amin’ireo fihetsika madinika tokony hizarana any anaty fiarahamonina izany ary heverina fa isan’ny anjara birikin’ny olompirenena sahady mitondra mankany amin’izay antsoina hoe fanorenana ny firenena izay. Miandry ny tohiny aloha isika. Miandry izay ho afitsok’izao fanapahan-kevitra heverina fa goavana voalohany noraisin’ny filoham-panjakàna nahazo fahefàna izao. Nanendry tomponandraikitra nanana fifandraisana tamin’ny fitondràna teo aloha fotsiny ve ny filoham-panjakàna malagasy sa sanatria nanendry olona mpiray petsapetsa tamin’ireo heverina fa nandrobe ity firenena ity nandritry ny taona maro ihany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

itadiavana ny fanazavàna ny hoe «Forongony»,

Card image cap
04-déc-2025

Ny tantaran’i Afrika dia manambara mazava

Card image cap