airtel

Edito

01-mars-2024

Miandry ny tena porofom-pitiavana!

Avy nanongam-panjakana ny taona 2009

Sample post image

dia vita mihitsy ny nanao fifidianana lalàmpanorenana tamin’ny karnem-pokontany

01-mars-2024

hananganana ny repoblika faha 4 ny taona 2010. Tetezamita tamin’io no rafitra nijoro ary dia napetraka ho tarigetran’ilay lazaina hoe repoblika faha 4 moa izany tamin’izany ary io mbola tazomina hatramin’izao io ny hoe «Fitiavana – tanindrazana – fandrosoana». Noraisina ho teny filamatr’ilay filohan’ny tetezamita tamin’izany, izay lasa filoham-pirenena ankehitriny, miaraka amin’ireo mpiaradia aminy ny hoe «Ny fitiavana no lehibe indrindra.». Miandry ny tena porofom-pitiavana izany ankehitriny isika mianakavy! Porofom-pitiavana ve ilay fifanenjehana ara-politika na fampidirana am-ponja isaky ny mihetsika ireo tsy mitovy fomba fijery eo amin’ny lafiny politika? Porofom-pitiavana ve ilay mamela ny vahoaka malagasy hiaina anaty zoridira misavovona eran’ny tanàna izay mety hitarika areti-mandoza ho azy ireo? Porofom-pitiavana ve ilay mamela ny tsy fandriam-pahalemana hanjaka eto amin’ny firenena ary amin’ny endriny maroloko mihitsy? Ny asan-dahalo dia efa toy ny rano fisotro sy sakafo fihinana mihitsy no hiainan’ireo vahoaka malagasy maro azy, indrindra, any ambany ravinkazo any. Nandalo teo ny fanapahan-doha, ny fakàna voamaso, izao indray dia ity resaka biby tsy hay mazava hoe avy aiza marina ity. Porofom-pitiavana ve no asehon’ireo olom-boafidy sy tomponandraiki-panjakana mifamasoka eny imasom-bahoaka sy ambony lampihazo? Mifanao vava, mifampivatravatra, mifampikasi-tanana hatreny an-dalambe mihitsy aza? Aiza ho aiza amin’izany rehetra izany moa izany ilay atao hoe fitiavana na porofom-pitiavana? Porofom-pitiavana ve no mamela ny renivohitr’ilay firenena ho sangany amin’ny tanàna maloto indrindra aty Afrika na ilay firenena mihitsy koa ho isan’ireo firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany hatramin’izao nefa nilokalokana hoe tsy maintsy mandroso anatin’ny 5 taona rehefa tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona? Ho hariva eto ny andro raha hitanisa ireo fanontaniana manitikitika momba ny fiheveran’ny fitondrana ankehitriny ny atao hoe fitiavana ity fa dia miandry aloha izany. Miandry ny tena porofom-pitiavana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap