airtel

Edito

24-janv-2024

Miandry ny tena tamberina

Ela niandrasana tamberina ny vahoaka malagasy.

Sample post image

Tamberin’andraikitra tamin’ireo karazan-ketra maro narotsany

24-janv-2024

tamin’ny kitampom-bolam-panjakana malagasy eto no resaka. Na naloha mivantana io na tsy mivantana. Misy ilay ohatra fanao matetika moa hoe na mividy borosinify eny amin’ny mpivarotra enta-madinika aza ny olompirenena iray dia efa naman’ny mandoa izay hetra izay ihany satria mandoa sara na “ticket” amin’ny kaominina iny mpivarotra iny. Toy izany koa rehefa mividy na dia anana aza. Nahoraka teo aloha teo ny resaka sarany aloha amin’ny fanisam-bahoaka tamina fokontany iray ary tena nampimenomenona fatratra ny mpanara-baovao moa izany ary dia toy izay efa faheno matetika izay ihany no fanontaniana matetika nipetraka. Aiza ny vola tamin’ireo hetra isan-karazany? Natao inona ny famatsiam-bola momba ny tetikasa tahaka izao na tahaka itsy? Tonga ety an-tanan-dehibe tahaka an’Antananarivo sy Toliara isika dia mahita avoana na vohi-pako misavovona dia misavovona. Na ireo alika aza lasa sahirana mikaroka izay mba tokony ho haniny anatin’ireny. Fa maninona no hoe tsy manam-bola ny kaominina handraofana ny fako? Izao indray izany dia hoe minisitera mihitsy no mangataka hoe dabilio iray isan’olona, isan-taona. Tsy misy tetikasa hafa mba azo hajanona mihitsy ve izany hanavotana ity tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara ity? Inona no tokony ho laharam-pahamehana, ny fanalana ny fako mahatonga aretina mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka sa fametrahana teleferika izay tsy ho takatry ny sarambabem-bahoaka ny sarany? Ny resaka karama mahavelona sy asa mendrika aza eto mbola ady sy tolona mafy dia mafy ny fikatsahana azy. Miandry ny tena tamberina.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap