airtel

Edito

08-sept-2021

Edito

Miantehitra fahagagana

Sample post image

Resy indray ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra omaly. Tsy afaka hiteny isika hoe: tsy nisy ny ezaka satria na teo aza ny lesoka,

08-sept-2021

dia azo ambara ho nanome heriny sy ny fahaizany manontolo ny mpilalao, tena nanao ny ainy tsy ho zavatra ny ankamaroany. Hakana lesona foana ireny, ary tsara kokoa amintsika angamba no mijery lavitra kokoa satria mahakely finoana ny mbola hahatrarana ny tanjona hiakarana any amin’ny “Mondial 2022” raha tarafina amin’ny vokatra hatreto. Tsy tonga saina amin’izao isika tsy ho tonga saina intsony. Mila fanetren-tena io, tsy mitovy ny tany amin’ny CAN 2019 sy ny aty amin’ny 2021. Marina fa te hanao zavatra ny mpilalao, mety betsaka ny herintsaina, saingy tsy vitan’ny vava sy ny “werawera” ny baolina kitra. Ny olona manomana lalao sy mikotrana fa ianao mandeha mivoaka alina sy mampandihy fitombenana any an-dapan’ny Filoha dia inona no vokatra antenaina amin’izany? Ny olona vao vita ny lalao dia manao izay hodiana haingana fa ny ekipanao mbola tazonina hanaraka ny sitrapon’ny politisianina eto an-tànana ka roa andro no hanomanana dia manantena fahagagana. Mbola lesoka ho antsika foana ihany koa ity resaka tompom-baolina, ka na efa hita izao fa olona tsy mamokatra dia misy toa tsy maintsy hajoro na mety misy hafa mahavita kokoa aza. Na izany na tsy izany, azo lazaina ho tsara, tsy araka ny fotoana henjikenjika aza ny zava-niseho tany Tanzanie omaly. Ahafahana manatsara ny ho avy, mila manova, mila fahasahiana ho an’ny mpitantana sy mpitarika fa tsy ho matin’ny hena-maso lava, mila mivelatra kokoa amin’ny famolavolana ny ho avy,… Tsy ny baolina kitra ihany io, fa tena azo hakana lesona amin’ny politika. Tsy misy fahagagana izany ny fandrosoana sy fampandrosoana fa mila fahaiza-manao. Tsy vitan’ny “werawera” sy kisehoseho izay toa tafitan’ny politisianina any amin’ny kitra, fa tena mila asa vao mahazo vokatra. Mila manana fahasahiana eo anatrehan’ireo mpandoto rano mety mitsivala-pandry ao anaty fitondrana. Aiza ve ka misy trangan-javatra hafahafa miseho foana, miteraka fahafaham-baraka ho an’ny fitondrana, manondrana foana,… Mampametra-panontaniana ihany koa anefa hoe: sao dia ilay lohany mihitsy matsatso sy lasa fandoto iray tandroka fositra ho an’ny rano iray siny? Ny azo hamehezana azy, dia tsy vitan’ny resabe sy kisehoseho ny zava-drehetra, ka iandrasana fahagagana e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap