airtel

Edito

18-févr-2026

Miezaka!

Tsy ny fitondram-panjakana

Sample post image

ihany fa rehefa mahatsapa ny tenany

18-févr-2026

ho mbola malagasy, mbola manana an'ity Madagasikara ity ho tanindrazana, indrindra, mbola miara-monina sy miaina eto dia inoana fa samy te hahita izany Madagasikara afaka tanteraka anaty fahantrana izany. Ny rehetra izany no heverina hoe mila miezaka manao ny tandrify azy avy hahatongavana amin'izany. Raha ny fampahalalam-baovao hita isan'andro amin'ny haino aman-jery samihafa aloha izany dia matetika heno ny hoe efa miezaka ny fitondram-panjakana mijery ny mpiasam-panjakana, ohatra, dia hoe miakatra 14% ny karama. Eo koa ny hoe mahazo fankasitrahana manokana na "prime" 310 000 Ariary ny mpiasam-panjakana. Ny aty amin'ny sehatra tsy miankina moa dia hoe mandeha ny ezaka hahafahana mametraka ny 300.000 Ariary ho karama farany ambany. Io koa izany izao, raha ny hita eto Antananarivo renivohitra, dia misy amin'izao fotoana izao ny fananganana toerana fialofana eny amin'ireny fatsakana iombonana ireny. Isan'ny ahitana izany izao, ohatra, etsy Ampandrana Bel'Air etsy. Any amina karazana sekoly, sekoly ambony, elankelantrano samihafa, samy ahatarafana ezaka ataona olompirenena isan-tokony avokoa izany hanatsarany ny manodidina azy eo na izay kendreny hahita fa miezaka izy. Eo izany izao no misy ny antsoina hoe petrak'olana na "problématique" fototra ahafahan'ity firenena ity iraimanontolo mihitsy miroso any amin'ilay tanjona ambony indrindra andrasan'ny rehetra dia ny hoe i Madagasikara tena ho afaka amin'ny fahantrana marina amin'izay. Faniriana efa nanakoako hatramin'ny fitondrana Ratsiraka izany. Ny fanontaniana tsotra izany izao dia hoe efa hita io ny tsirairay fa mahay miezaka ihany rehefa amin'ny filany na maha diavolana ny sainy avy. Rahoviana kosa io malagasy io no hanam-piniavana ka hanao ezaka hahasoa ny rehetra eto amin'ity firenena ity amin'izay? Rahoviana no ho ampy ny ezaka hampiseho fa tena vonona amin'izany antsoina hoe fanovana ny firenena izany tokoa isika io? Ny azo antoka aloha dia mila miezaka isika!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nahazatra sy nahaliana izany

Card image cap
05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap