airtel

Edito

16-nov-2021

Edito

Mifanasà vangy eo ihany e!

Sample post image

Raikitra ny fifanasana vangy ara-politika! Miteny sy manakiana ny mpanohitra, dia iny ihany koa fa mivatravatra tsy mitsitsy fitenenana ny manam-pahefana sasany eo amin’ny Fitondrana.

16-nov-2021

 Tena tsy mitsitsy, fa avo vava tanteraka,… Toa adino, fa asan’ny mpanohitra anefa anie no mitsikera sy manakiana e! Ny fitanisana ny heverina fa fahadisoan’ny hafa no atao fanadiovan-tena manara-penitra hanasana ny ratsy nataon’ny tena? Ny ankilany eo amin’ny fanoherana, tsy manana seza sy fahefana harovana; ny andaniny eo amin’ny fitondrana firenena, mila manarina ny lesoka goavana ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao. Asa hahatsara endrika ve ny mbola fahasahiana mitanisa fa nangoron-karena, nanakatona orinasa, nanagadra,… ny teo aloha kanefa ny ankehitriny aza mety afo zato heny amin’ny tamin’izany? Inona amin’ireny ary no tsy miseho ankehitriny? Moa tsy misy mpitondra manao ampihimamba eto? Moa tena mahazo vahana ve ny orinasa Malagasy rehefa norobaina sy nodorana ilay lazaina fa manao ampihimamba? Moa manana asa ny Malagasy? Moa tsy misy mpandraharaha Malagasy nalefa any am-ponja? Moa tsy nisy orinasa Malagasy betsaka nakatona sy nogafiana raha tsy hilaza afatsy ilay kaompania anabakabaka tsy miankina iray ? Raha toa ka nisy tokoa izany ambara fa ampihimamba sy fanjakazakana izany, afaka ny olona nahavita nampiasa Malagasy an’alina, nahavita nampiakatra ny tahan’ny fiharian-karena ho +7% fa ny anao –7% dia ianao indray no handeha hirehareha ! Tsy misy resaka tsangan’olona io, fa tena zava-misy, ny fahaiza-manao, fahaiza-mitantana,… Hatramin’ny mpaneho hevitra anaty Facebook tsy nisy basy nipoaka na tsenam-barotra voaroba aza mahazo 44 volana any am-ponja fa ny mpandroba sy mpandoro ary ny mpangalatra afa-maina! Sao mba ny mangina sy manarina ny tsy fahaiza-mitondra firenena no tokony hilofosana ? Sa efa milavo lefona ka ny mitanisa ny mety ho lesoky ny hafa no hahatsara ny tena? Ilaozy mifanasa vangy eo ihany, dia ambanio ny mpifanandrina fa hisy hanaiky don-tandroka sy fandrangarangana hery toy ny teo aloha intsony mantsy eo! Ny fifidianana rahateo miha manantona. Tsy efa tahotra ihany koa moa ve io resaka nivoaka tao anatin’ny famoriana olom-boafidy tany Antsirabe io, fa toa miezaka ny tsy hanao fifidianam-paritra na « élection régionale » na efa ny lalàmpanorenana izao aza no mandidy ka voizina fa tsy holaniana amin’ny fifidianana ny taom-piasana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap