airtel

Edito

04-mars-2021

Edito

Mifanome bala hifampitifirana ?

Sample post image

Mihenjan-droa hatrany ny tady, ary samy manana ny heveriny fa rariny arakaraka ny toerana misy azy avy ny mpitondra sy ny mpanohitra.

04-mars-2021

 

 

Mbola hitana ny sain’ny maro ato anatin’ny 72 ora ny resaka famoriam-bahoaka. Ny ankilany manitrikitrika fa ara-drariny sy araka ny lalàna ny azy ireo, ny andaniny mitompo teny fantatra fa efa fanonganam-panjakana io. Inona no hiafarany ? Hanao ahoana ny tohiny? Lasa tafiditra anaty resaka hatramin’ny sehatra tsy miankina. Mandeha ny omeko tsy omeko, ka dia mifampizirizy amin’ny heviny eo. Raha toa ka misy midilatra, dia hiampy ny bala hahafahan’ny mpitondra mitifitra ny mpanohitra, raha hiditra eny amin’ity toerana tsy miankina ity, izay mety hanana sokajy ara-stratejika noho ireo zavatra manodidina azy. Mampiharihary ihany koa anefa ny zava-misy, fa tsy mahazaka fanoherana sy demokrasia ny mpitondra ankehitriny. Mpanao tari-bato vilam-bava ka rehefa izy ireo no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo. Tsy mba menatra ve hoe: kianja notokananao, nataonao batemy ho kianjan’ny demokrasia izao, ivo iray nentinao nandrombahana fahefana,… dia hakatonao sy ambenana amina basy amin-tafondro rehefa tonga eo amin’ny fahefana. Sanatria toa fanompana ilay Raiamandreny Rain’ny demokrasia ny fampidirana ny sarivongany ao an-kianja, kanefa tsy azo hidirana sy hampiasaina amina fanehoan-kevitra. Raha tena miasa araka ny filan’ny vahoaka sy mahafa-po ny maro ny fitondrana tsy hisy olona ho voasariky ny fanoherana, fa matoa matahotra dia ao raha. Sao dia ny fomba fiasa no hovaina fa tsy ny fomba fiady? Asa mandra-pahoviana no hahomby ity fandragarangana basy aman-tafondro lava ity ?

 Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap