airtel

Edito

04-mars-2024

Miha lasa faran’izay mora

Fiantson’ny mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny

Sample post image

ary mbola voatazona hatramin’izao rehefa hiteny mikasika

04-mars-2024

an’ity Madagasikara ity ny hoe «Pays du moramora». Mora azo teto daholo izay heverina ho sarobidy rehetra any amin’ny firenen-kafa tamin’izany fotoana izany, raha ny voalazan’ireo raki-tsoratra momba ny tantaran’ity firenena ity sy ny fiarahamonina malagasy nisy tamin’ireny fotoana ireny moa izany. Ny volamena azo mora, ny filàna an-davan’andro azo mora, ny asa tanana malagasy koa azon-drizareo mora, ny rehetra dia saika azon-drizareo mora avokoa. Amin’izao fotoana izao moa dia miha lasa faran’izay mora mihitsy ny fahazoan’ireo vahiny ny tombontsoa efa hisitrahan’ny vahoaka eto amin’ity firenena ity. Ny efa hisitrahany aza moa izany no mahazo azy ka mainka fa hoe ireo tokony hisitrahany? Ireny izao farany teo, tany efa misy trano onenana malagasy 15 mahery farany teo, lasan’ny sinoa. Tsy rototra akory ny fivoahan’ny vaovao andro vitsy taty aoriana, rehefa sesilany ny tsikeran’ny olompirenena maro, hoe hanome tany 2ha isak’ireo olona lasibatry ny fandrodanan-drizareo trano ireo sinoa. Izay no nifanarahany tamin’ny repoblika malagasy dia vita kabary. Fari-dranomasintsika dia hoe omena tantanan’ny vahiny koa ny hazan-drano ao aminy, hoy ny minisitry ny jono tamin’izany mbola voatazona mandrak’ankehitriny dia tsy misy rototra. Nanao ahoana koa izao no niafaran’ilay tany niadian’ny fokonolona tamin’ny vahiny teny Antaninanandrano iny? Ny volamena 73,5kg any dia any. Ny volamena nivadika vy any dia any. Io indray koa izao ny olan’ny Base Toliara sy Bas Mangoky. Asa koa izay hihafarany! Ny biby hafahafa mandripaka fiharian’ny mponina nefa ity tsy misy resaka hoe ahoana marina ny momba azy? Mba miady amin’izany tranga mampihorohoro ny malagasy amin’izao fotoana izao izany ve ilay fitondrana mijoro sa dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe «mody mitapy» fotsiny? Inona indray izany izao no filàna sarobidy tokony ho an’ny vahoaka malagasy ho azon’ireo vahiny moramora foana ato ho ato sy mandra-pahatapitr’ity 5 taona faharoa ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap