airtel

Edito

17-avril-2023

Edito

Miha mivaha hatrany

Sample post image

Tsy mielina akory ny herinandro nisian’ilay kabary nataona depiote nalaza iray izay nahatafitohana olona maro,

17-avril-2023

indrindra, ireo mponina tany amin’ilay faritra nahatsiaro ny tenany ho niharan’ny fanavakavahana fihaviana nataon’ity depiote ity dia efa nahenoana endrika kabary tsy nifanalavitra tamin’izany indray ny sabotsy teo ary tsy depiote tsotra na filoha lefitry ny antenimieram-pirenena toy ilay tany avaratra no nanao izay fa tena ny filohan’ny antenimieram-pirenena mihitsy indray. Toy ny rano nararaka tan-damosin’ny gisa ny tsikera samihafa nataon’ny mpanara-baovao ny amin’ny tsy tokony handrangitana adim-poko sy fihaviana nanoloana ilay resaka hoe «Tsy izay avy any atsimo no hidikiditra amin’ny resaky ny aty avaratra.». Niala tamin’ny resa-poko dia iny fa nipoitra indray ny resaka toy ny manindraindra sy manambany firazanana mihitsy niainga tamin’ny oha-pitenenana hoe «izay maharitra vadin’andriana.» dia nitohy tamin’ny fazavana hoe te ho vadin’andriana izahay fa tsy te ho vadin’Ikotokely satria misy Ikotokely mandehandeha any. Mifanohitra amin’ny antsoina hoe «andriana» ve izany no tiana tenenina amin’ilay hoe «Ikotokely»? Ny antsoina hoe «Ikotokely» hafa tsinona, raha ny fahafantaran’ireo mpandala sy mpandalina ny fomban-drazana azy, dia ny lahin’ny zava-manan’aina voalaza ho hafa tontolo antsoina hoe «Kalanoro». Toa tsy izay loatra anefa no voalaza eto rehefa tena henoina indray ity kabary naha be resaka ny mpanara-baovao maro manaraka ity? Be ihany izay zava-mamoha henatra na «scandale» sy niteraka resabe kanefa tsy hita hoe nitondra fahasoavana na fampandrosoana ity firenena ity izay kanefa dia ireo mpitondra na mpiaradia akaiky tamin’izao fitondrana izao no nanao azy. Manaporofo hatrany ireny rehetra ireny fa miha mivaha hatrany ny atao hoe fifehezan’ity fitondrana ity ny raharaham-panjakana, fa indrindra, ny fifehezan-tenan’ny atao hoe mpitondra na olom-boafidy mitondra ny lokon’izao fitondrana izao ary eo no heverina fa mampitombona ilay fanontaniana niainga tamin’ny teny naloaky ny vavan’ny sasany amin’izy ireo ihany hoe mbola tokony hitondra ve ny olona tsy mahafehy fihetsika sy teny tenenina toy ireny? Ianao izay mampirisika ny hafa hametra-pialana io ve tena resy lahatra fa tsy tokony hametram-pialana ihany koa? Raha izao sahady izany no tontolo politika iainana, 7 volana mialohan’ilay tena fotoam-pifidianana, dia inona no mety hitranga rehefa ho tonga tokoa ilay fotoana tena hoe hanatanterahana ilay fifidianana?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap