ny hoe «omaly tsy miova». Miha ratsy noho ny omaly anefa ny zava-miseho eto amin’ny firenena ankehitriny rehefa maharay ireo fampitam-baovao samihafa isam-paritra sy mijery ifotony ny zava-misy ihany koa. Miha ratsy noho ny omaly ny fitosaky ny fako eny rehetra eny. Toy izany koa ny fiakatry ny rano ao anatin’ny andro ratsy toy izao. Maro ny malagasy manahy mafy fa ho esorina amin’ny taniny rahampitso sy rahafakampitso. Manjaka sy miha lalina ny tsy fandriampahalemana. Mampihorohoro sy mampivarahontsana ao anatin’izany ny firongatry ny fakàna voamaso sy fanapahan-doha na fanolanana mbamin’ireo habibiana maro hafa tsy voatanisa. Tena maro ny lalana potika sy ratsy manerana ny nosy. Maro ireo lalana sy lalam-pirenena hitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ary tena mamono olona maro. Mitombo, raha fehezina, ny fahasahiranan’ny malagasy maro an’isa. Mbola faran’izay mahantra ny firenena hatramin’izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray omaly izay. Nivoaka koa iny ny tombana fa dia tompondakan’ny renivohitra maloto indrindra indray izany izao ny renivohitr’ity Madagasikara ity. Ivavahana mafy mba hipoitra ihany ny tena vahaolana.
J. Mirija
mbola hisy koa ny farany na dia manadroadro aza ny oham-pitenenana frantsay
Indianina noraisina teto, izay nomanina fatratra, nisy endrika fangejana ny