airtel

Edito

15-mai-2026

Mila arofanina !

Raikitra ny fifandroritana eo

Sample post image

amin’ny Fanjakana fanavaozana sy ny

15-mai-2026

depioten’Arivonimamo isan’ireo tazana nitolona niaraka tamin’ireo tanora sy voasambotra tamin’izany. Mandeha ny fandroritana ireo heveriny fa fandikan-dalàna sy fandikana lalàmpanorenana, ka tonga hatrany amin’ny hoe havereno amin’ny sivily ny fahefana. Tonga hatramin’ny fitoriana etsy amin’ny HCC ! Dia iny fa niditra an-tsehatra ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa tsy manana sata afaka mametraka «saisine » etsy Ambohidahy ny depioten’Arivonimamo. Efa naman’ny toromarika sy fampiomanan-tsaina fa tsy ho azo raisina sady tsy mitombina ? Raha resaka lalàna madiorano aloha no hitondrana ny zava-misy ny toe-draharaham-pirenena hoe fandikan-dalàna na tsy fandikan-dalàna dia efa samy mandrirotra amin’izay mahamety azy eo, ka dia ny feon’ny fieritreretana no mila henoina hoe rariny sa tsy rariny ny atao ? Mety sa tsy mety ? Sao sanatria mivaona tokoa ? Samy manana ny heveriny fa tokony ho ara-drariny satria na tiana na tsy tiana aloha, dia ilay jadona, ilay Fanjakana tsimatimanota, ilay filoha nieritreritra fa efa nahavita kadasitra an’i Madagasikara niaraka tamin’ny mpambabo fanjakana niaraka taminy no zava-dehibe. Samy nanana ny andraikiny satria raha tsy nihetsika ny tanora sy ny vahoaka, tsy nisy zavatra azon’ny miaramila notohizana. Raha tsy nanampy ny miaramila, mety efa feno hipoka hatramin’ireo fonja vaovao. Tsy midika anefa izany fa rehefa azo ny fahefana dia afaka manao izay mahametimety azy ny tsirairay, ary izay no ilàna arofanina, izay no hametrahana mpanolotsaina tena mahay sy mahalala ny zava-misy ary avy amin’ny vahoaka. Poizina sy manafaingana ny faharavana ny havonavona ka mila fihainoana foana ny feon’ny fieritreretina mba tsy hanara-dia ny teo aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

na koa hoe voady ao, raha ny marimarina

Card image cap
20-mai-2026

anatin’ny 7 volana

Card image cap