Teny mandray lafy maro iny, ho an’ireo izay mino izany moa ary heverina fa mino izany ihany koa ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika amin’izao fotoana izao, izay efa nampiseho am-pahibemaso fa mpiandry eo anivona fiangonana zokiny Kristianina iray eto amin’ity firenena ity. Asa aloha na ny zava-drehetra eto amin’ity firenena ity ihany koa no mila avaozina fa ny inoana fa maharesy lahatra ny maro dia ny hoe ny ankamaroan’ny zava-misy eto mihitsy no mila avaozina! Ny androatokon’ny zava-misy rehetra eto mihitsy no heverina fa mila avaozina! Tsy fihetsiketsehana hita maso fotsiny io na ilay nantsoina tamin’ny fitondràna teo aloha hoe werawera. «Folklorisma» na «Folkorisme», hoy ny filazan’ireo mpandinika fiarahamonina azy. Fihetsiketsehana ivelany tsy nitondra mankaiza teto amin’ity firenena ity avokoa izany. Tsy hoe rehefa mitafy lamba mena dia midika avy hatrany fa mirehareha na manaja ny maha malagasy nefa ny fomba firesaka vary amin’anana, hoy ny filaza azy, na koa hoe ny toera-pivoahana mitodika mianavaratra antsinanana, izany hoe, any amin’ny zoro firarazana. Tsy hoe rehefa miteny amin’ny vava fa tia tanindrazana na koa hoe mametraka ny tanany eo amin’ny fony rehefa mandeha ny hiram-pirenena dia tia tanindrazana tokoa. Fikasàna moa ny an’ny filohan’ny fanavaozana ny hametraka izay marika izay atsy ho atsy ary ny hirariana tokoa dia ny hoe hifanaraka amin’ny hetsika hitan’ny maso ny tena fihetseham-po marina any anatintsika tsirairay avy any. Irariana fa tena tia ny tanindrazany tokoa ny filohan’ny fanavaozana sy ireo mpikamban’ny governemanta. Irariana fa ho toy izay ihany koa ireo izay hanaraka izay fihetsika izay rehetra fa tsy ho sanatria hampahatsiahy ny fomba fiteny teo aloha hoe «seho ivelany» na «werawera». Inoana fa samy miaiky izay mandinika rehetra fa mila avaozina hatramin’ny pitsopitsony rehetra eto amin’ity firenena ity mba hahatonga ny tena fanovàna marina.
J. Mirija