airtel

Edito

03-févr-2026

Mila miova sy mihavao!

Adihevitra be hatramin’ny

Sample post image

nanombohan’izao fitondràna izao

03-févr-2026

mandrak’anio ny hoe fanovàna no tena notakiana tanaty tolona fa tsy izany fanavaozana izany. Andaniny izay fa etsy ankilany koa dia manazava ireo milaza fa ilàna fanavaozana aloha ny zava-drehetra fa izay antsoina hoe fanavaozana izay tokoa no ilaina hanombohana ny asa fanarenana ity firenena ity. Ny fivoaran’ny fiainam-pirenena aorian’izao no ho ahitantsika eo moa hoe inona tokoa izany no tena tokony ho natao laharam-pahamehana? Izay fanavaozana izay tokoa ve sa fanovàna? Ny azo antoka aloha dia ilay olombelona malagasy, izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory ny antsasa-manila maheriny, efa hatramin’ny repoblika voalohany, no mila miova sy mihavao! Sarotra indrindra amin’izay maha olombelona izay ny manova toetsaina fa ny andrandraina fara faha keliny aloha izany manomboka eto dia hoe mihavao izany toetsaina izany. Mety tsy azo ihodivirana ny fanovàna ny lalàmpanorenana, ny rafi-pitsaràna samihafa, ny rafi-pitantanana ankapoben’ilay firenena mihitsy saingy ilay toetsaina zatra kolikoly, zatra gaboraraka, zatra manary rano maloto na fako anaty tatatra, zatra manao io fomba rehetra tsy maha mendrika ny antsoina hoe olompirenena io, mila avaozina ho te hiala amin’izany heverina hoe fahalovana rehetra izany tsikelikely aloha. Nisy tsy nametraka afa-tsy fahantrana ny sasany nandritry ny 11 taona nipetrahany teo, hoy ny filoha mitantana izao rafitra izao izay kanefa dia sahy mitsikera mafy anay izay vao 3 volana mahery izao no nandray ny fitantanana ny firenena. Ahoana tokoa moa no ahafahana manarina firenena tsy nandalo afa-tsy karazam-paharavàna, tsy 11 taona izany fotsiny, fa 16 taona fara faha keliny? Samy afaka mitsara avy hatrany tokoa angamba ny rehetra fa tsy mora izany. Mila ny hevitra iombonan’ny maro an’isa ao anatin’ny antsoina hoe fikaonandoham-pirenena marina izany. Mila miova sy mihavao ny firenena fa mila miova sy mihavao ihany koa ilay antsoina hoe malagasy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

finiavana asehon’ny Fitondrana ankehitriny

Card image cap
05-févr-2026

Andron’ny fanavaozana izao.

Card image cap