airtel

Edito

20-avril-2026

Mila paikady matotra

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

Sample post image

olona maro ny vava tsy ambina

20-avril-2026

nataon’ilay tovovavy milaza fa mpitolona teny Ambohiatovo ny sabotsy lasa teo. Asa hoe sosotra ve izy sa manana olana hafa fa raha tokony hiresaka sy handresy lahatra ny olona amin’ny teny fampiombonana dia toa lasa fihantsiana indray no natao ary ny mpanao gazety, mpampita sy mpanaparitaka ny vaovao mihitsy no nohitrikitrihany. Dia ho gaga ve avy eo raha mitsefotra sy tsy misy mpanaraka ilay hetsika ? Sa sanatria efa izany mihitsy no tanjona ? Inona izao no ataon’ny Gen Z manoloana ireo namana mbola voatazona sy atao fanadihadiana ? Efa misy hetsika ve , misy fifampiresahana ambadika ve ? Sa mifanetsetra eny fotsiny dia raha toa ka tafavoaka ireo, rehefa vita ny fanadihadiana dia ho hita eo ihany. Olana tamin’ny mpanao politika hatramin’izay io fanaovana kabary sy teny tsy voahevitra indraindray io ka mahatonga ny olona tsy liana hihaino izay ambaran’izy ireo intsony. Mbola lavitra ny lalana, raha hanaitra sy hisintona lakolosy manolona ny tsy ,ety ataonny mpitondra dia mila manana paikady tsara fa tsy entina aminkafanam-po na fahataitairana. Lasa mampahazo vahana ny tsy maty manota ny fahatsapan’ireo mitazona ny fahefana fa marefo ny mpanohitra azy. Ny mpanohana misy efa roboka amin’ny fisolelahana sy fanasohasoana , ny hafa tsy mpanohana, mbola tsy atao aloha hoe mpanohitra lasa miteniteny foana ; eo ihany kao ireo nisafidy ny hitazatazana izay tena fandehany fotsiny aloha. Koa atsipy ihany ny teny ho an’ny manam-panahy : fotoana izao hampisehoana fihetsika mendrika fa tsy vitan’ny hambom-po diso toerana izany fanovana sy fanavaozana izany .
RTT
 

Dans la même rubrique

22-avril-2026

Tsy misy tsy maniry izany fiovana sy

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny tononkiran’ny mpanakanto

Card image cap