airtel

Edito

19-mai-2022

Edito

Mila vahaolana

Sample post image

Olan’ny oniversite, mitady ho lasa olan’ny firenena tsy ahitam-bahaolana mahomby.Firifiry kosa izay hetsika sy fitakiana izay dia mbola tsy fatatra ihany ve hoe aiza no fototr’olana.

19-mai-2022

Io famahana ny olan’ny ambaratonga ambony io no tenna tokony ampisehoan’ny filoham-pirenena ankehitriny hoe ho vitaintsika ao anatin’ny 5 taona izay tsy vita tao anatin’ny 60 taona, araka ny teniny.Karama, tmbin-karama, vatsim-pianarana, fampitaovana, fanatsarana ny fampianarana..miodinkodina eo foana ny fitakiana ary tsy dia tena misy hoe zava-baovao, izany hoe tokony efa fantatra mialoha.Ka inona no tsy hikarohana vahaolana haingana raha hanova zavatra marina araka ireny propagandy tamin’ny 2018 ireny . Tsara ny manangana trano fa mila karakaraina ihany koa ny olombelona hipetraka na hiasa, na hianatra ao anatiny. Ny manahirana eto Madagasikara ankehitriny dia be loatra ilay teny sy fehezanteny avoaka, saingy any amin’ny asa dia manify mba tsy ilazana hoe tsy misy fa poakaty. Tsy vita mihitsy ve ny mandanjalanja azy io , tsy mba mandinika ve aloha vao miteny.Azo atao koa ny manontany na maka hevitra any amin’ny hafa, sa tsy mety izany fa mahamenatra na sanatria heverina fa manambany tena. Any amin’ilay fanetren-tena mihitsy anefa no tena ilaina ary mandamin-javatra io; saingy indrisy fa toa gisa maintsy izany rah any mpitondra ankehitriny no jerena.Dedaka iray trano no sady tsy te hahalala ny hafa, ry zareo moa izao no eo aloha dia ataony izay tiany .
RTT
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap