airtel

Edito

13-mars-2024

Minia mikipy !

Ny hilaza fa tsy miasa sy tsy manao zavatra ny

Sample post image

Fanjakana ankehitriny, dia lainga sy fankahalana tafahoatra.

13-mars-2024

Ny hiteny kosa fa mahomby sy tena mamaly sy mamaha ny marary ny vahoaka Malagasy amin’ny ankampobeny, dia fisolelahana tafahoatra sy fanesoana ny valalabemandry. Hatreto, tsy reska fankahalana fa tsy fitiavana fa tena miha milentika ny firenena, miha fadiranovana ny Malagasy,… Miteny ny tarehimarika sy ny tondro iraisam-pirenena samihafa, fa indrindra ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’ny ankampobeny. Ny tena zava-doza sy vao mainka mandetika ny firenena anefa, dia ny fizirizirian’ny mpitondra sy fandraisany ho fankahalana ny tsikera samihafa ka asa hoe : iza no andrasany hiteny fa tena tsy mahomby izao fitantanana izao vao hiaiky fa tena marina izany ? Tena fady ny hiaiky fa betsaka ny zavatra mila hahitsy sy kitihina, fa tena minia mikipy sy toa manao takalon’aina ny firenena. Miteny ny mpanohitra tsy inoana, miteny ny olona efa avy tao anatin’ny fitondrana tsy ekena, miteny Raiamandreny am-panahy hanaovana bemarenina, miteny diplaomaty vahiny tsy inoana,… Dia tena hoe : fankahalana mpitondra ve ny mahatonga ny tsikera sy fanatsikafonana na fanontaniana hoe : nankaiza ny vola tokony hikojakojana ny làlana, tsy mahatoky ny mpamatsy sy mpampiasa vola noho ny kolikoly, miaina ambanin’ny 4000Ar isan’andro ny Malagasy 24 tapitrisa, mampikolay ny mpandraharaha ara-toekarena ny delestazy, tafakatra 2000Ar latsaka kely ny kapoakan’ny vary any amin’ny faritra sasany noho ny haratsian-dàlana,… Akaiky ny fifidianana dia toa zary lasa tandindon’ny politika ny fividianana vahoaka ankolaka fa tsy ny foto-kevitra sy vina hitondrana ny firenena no mikaonty. Mbola mandeha ny politikan’ny fizarana koveta sy zavatra na vola tsy mahavita taona, izay miendrika fanararaotana ny Malagasy amin’ny fahantrany mba hividianana ny safidiny. Tsy izay fahoriam-bahoaka no mahaseriny sy mahavaky ny lohan’ny mpitondra fa ny hoe : ahoana no hahazoana seza maro hananana fahamarinan-toerana ara-politika ? Toa tsy olana aminy na fahefana azo tamin’ny tsy rariny, halatra, hala-bato, fanambakana vahoaka,… aza io, fa ny zava-dehibe dia ny mila mahazo seza sy fahefana. Tsy misy tahotra sy henatra velively na tsy mamokatra sy mitavana ny volam-bahoaka fotsiny aza, fa mety misy manao raki-pisaorana mihitsy aza hoe : misaotra anao Andriamanitra fa nomenao vahoaka bado sy azo ambakaina ? Mbola hahomby sy handaitra ve izany amin’ity indray mitoraka ity ? Heverina ho bado mandrakariva ve ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap