airtel

Edito

12-janv-2024

Miseho daholo

Miseho daholo ankehitriny ity karazan-tranga

Sample post image

tsy mbola fahita tao anatin’ny 60 taona teto amin’ity firenena ity.

12-janv-2024

Tsy hay hoe tokony hihomehy ve sa halahelo raha maheno izany hoe hatramina manam-boninahitra maromaro eo anivon’ny tafika no voalaza fa nahavita nanodina fanomezana noho ny fahatongavan’ny taom-baovao na asaramanitra izany? Raha tononina amin’ny fomba malagasy izany dia hoe hatramin’ny solombodiakoho sy ny solom-pen’akoho no tratran’izany amin’izao fotoana izao eto amin’ity firenena ity. Hikorontana indray, hoy ny JIRAMA izao omaly, ny famatsian-drano amina tanàna miisa 40 eto an-drenivohitra sy Atsimondrano. Misy fokontany efa zary ho mitady ho vita vakisiny amin’izany ao kanefa dia mbola voatonona tao anatiny tao indray. Hatramin’ny taona 2018 no efa nampanantena ny filoham-pirenena fa ho foanana amin’izay ity olan’ny JIRAMA ity. Na resaka rano io na herinaratra. Io iaraha-mahita io anefa ny zava-misy hatraty amin’ny taona 2024. Tonga amin’ilay tononkirana tarika amerikanina ACDC, izay nalaza tamin’ny taona 1980 izay hoe “Back in black” na koa hoe miverina amin’ny haizina raha atao dika malalaka. Miparitaka sy misavovona ny fako. Manodidina ny 515 isa ireo olona voakasika tamina raharaha fanolanana tamin’iny taona 2023 iny ary mandra-piandry ny fampiharana ilay lalàna mikasika izany nambaran’ny filoham-pirenena moa izany dia ireny mbola henontsika saika isan’andro ireny fa mbola misy ireo sahy manao izany heloka izany hatrany. Aza indray izay tranga vaovao hiseho amin’ity anio ity fa dia tena miseho daholo aloha ity tranga hafahafa rehetra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap