airtel

Edito

27-oct-2025

Mitsimbadika ny rasa !

Henjana ny fitsimbadiky ny tantara,

Sample post image

hany ka toa mbola tahaka ny nofinofy ho

27-oct-2025

an’ny vahoaka ny hoe : ilay Fanjakana nanjakazaka sy niezaka nifehy sy namoritra vahoaka, tsy mba nanaiky ho diso nanomboka ny 2009, nampiasa hery, nampiasa vola,… no vaky tady nandositra tao anatin’ny 20 andro monja. Mitsimbadika tanteraka ny sary, ka ireo niedinedina, nanao vava tsy ambina, niteny hoe : « izahay aloha no eto », « 6% imbécile »,… no lasa mpitarika olona eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ankehitriny. Dia mandeha ny filalaovana ny sary amin’ny alalan’ny teknolojia hilazana fa mbola manana vahoaka maro mpanohana. Lasa mahay lalàna, mahay miresaka demokrasia,… kanefa fahiny na ny fivoriana politika anaty efitrano aza tsy azo natao. Asa mba manongo sy mba tonga saina ihany ve ireny olombelona ireny aty aoriana hoe : ilay toerana nosakanana tamin’ny basy andro aman’alina mba tsy hahahafahan’ny vahoaka maneho hevitra no lasa niazakazahany ankehitriny rehefa nitsimbadika ny rasa ? Na izany na tsy izany, tsy ny Fanjakana notarihin’i Andry Rajoelina nirodana no zava-dehibe, tsy ny fahaverezan’ny zom-pirenena Malagasy nananany, tsy ny fanenjehana ara-pitsarana samihafa mandeha indrindra ho an’ny mpandraharaha matanjaka nialoka tao anaty fitondrana,… fa ny fandresena ny jadona, ny fahafahana maka lesona sy fahavononana tena hanarina ny Firenena hiala tanteraka ao anatin’ny lalan-diso,… Fotoana izao hahafahana mamaritra ny ho avin’ny Firenena ao anatin’ny tena soatoavina Malagasy. Dingana no vita fa ny tanjona mbola tsy tratra. Ekena fa tsy afaka ny hiolonolona eto isika, kanefa tsy misy afaka ny tena hitia sy hampandroso an’i Madagasikara afatsy ny Malagasy. Ny firaisankina sy firaisam-po eo amin’ny Malagasy, ny mponina izay harena lehibe voalohany, ny harena marolafy izay ananantsika na ambonin’ny tany, na anaty tany, na an-dranomasina,… dia apinga lehibe hahafahantsika miala ao anatin’ny fahantrana, raha tena tsara tantana ny Firenentsika. Mila beazina sy ampianarina anefa ny olom-pirenena, mba hahalala sy hitia ny taniny, hahalala sy hahatsapa fa hay ny firenentsika tena azo ampandrosoina ! Fotoana izao !
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

atao izany izao ny mitady ny

Card image cap
09-févr-2026

Hikoha-maina aza atao mainka

Card image cap