airtel

Edito

06-oct-2021

Edito

Miverina amin’ny 20 taona lasa

Sample post image

Miverina any amin’ny 20 taona lasa ny sary amin’ny laharam-pahamehana tiana haseho eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

06-oct-2021

 Ilay fandaharan’asa nohamavoina fahiny no zary lasa laharam-pahamehana sy hireharehana fatratra ankehitriny. Resy lahatra ve fa mitombina kay ny vinam-pampandrosoana nentin’ilay iraikalahy fahiny sa any no hita fa mety ahazoana ny fom-bahoaka indray dia mba mody hafantoka any aloha ny laharam-pahamehana. Raha vao miresaka fanamboaran-dàlana teto Madagasikara dia ilay iraikalahy taloha no mitamberina an-tsain’ny olona, raha vao momba ny fiompiana sy omby, ny tontolon’ny tantsaha, famokarana,… dia mbola ilay iraikalahy taloha ihany. Mampametra-panontaniana hoe: mba efa taiza ho aiza no nisy antsika raha tsy nisy an’izay famotehana tsy mbola hita tao anatin’ny 60 taona izay? Izay ilay hoe: mila misaina vao manao zavatra. Dia mbola misy mahasahy manao avo vava manenjika ireo teo alohany ho tsy nahavita na inona na inona, fa izy ihany no tena zavatra, kanefa izy no tompondakan’ny tsy fahombiazana sy famotehana an’I Gasikara. Fady anefa ny hiaiky ny tsy fahombiazana, ary miandry ny akoho haniry nify raha izy no heverina hanana fanetren-tena sy tsy ho avo vava na efa ataon’ny olona fihomehezana aza indraindray. Mety tsy anjarantsika tokoa angamba no mitsara, saingy misy ilay tenina Raiamandreny am-panahy iray izay tsiahivina foana hoe: “Tsy misy ho afa-maina, tsy misy hiasa maina”. Ny tsy fahombiazana eo ihany, fa ity toa endrika fanjakan’ny tsy maty manota ity mbola resaka hafa. Toe-javatra isan’ny manamarika antsika Malagasy ny hena-maso. Zary tsy sahy manapa-kevitra satria tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny olona iray, ka dia aleo mifampihatsaravelatsihy eo. Zary lasa miompy varatra indraindray raha tarafina amin’ny hafitsok’ireo olom-panjakana toa tsy azo hozongozonina. Mailaka manenjika sy managadra ireo mpifanandrina mety nanao hadisoana fa jamba tanteraka kosa eo anatrehan’ireo ao anaty ankohonana politika, izay efa tena matin’ny vavam-bahoaka amin’ny hadalana. Tsy vitan’ny resabe samihafa manala-baraka ilay fitondrana sy fahefam-panjakana, fa mbola misy mandrato ady etsy sy eroa, fa dia mbola vitavita ho azy! Samy hotsarain’ny tantara eto, fa dia samia ho ela velona hahita ny ampitso e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap