airtel

Edito

30-juin-2025

Miverina daholo!

«Hiverina daholo ary ireo sorisory,

Sample post image

sorisory nandreraka anao.

30-juin-2025

Hiverina daholo ary ireo tebiteby…», hoy ny hiran-dry Mahaleo izay, izay miresaka ny koràna mandra-maraina hitan-drizareo tany amin’ny tontolo ambanivohitra tany nialohan’ny niverenana hiatrika indray ny fiainana an-davan’andro eto amin’ity Madagasikara ity, tamin’izany fotoana izany. Raha lazaina amin’ny fomba ankehitriny dia hoe vita ny kifetifety fa miverina daholo tokoa io ny fahasorenana samihafa amin’ity delestazy sy tsy fisian-drano izay vao mainka miha mafy ity. Miverina daholo ny fahasahiranan-tsaina mikasika ny hoe aiza no ahitàna vola hanefàna ireo trosa lany tamin’ny fety? Ny tebiteby manoloana ny hoe ho vita tsara ve ny asa? Hanao ahoana indray ny maso-karena sy fidiram-bola amin’ity fitaovana sy sakafo potehin’ny tsy fahatomombanan’ny angovo eto amin’ny tanàna ity? Hanao ahoana indray ny fampiakaram-bokatra amin’ity fahapotehan’ny lalana etsy sy eroa ity? Ny tsy fandriampahalemana mirongatra ary ireny niaraha-mahita ireny ny toa zary fahafinaretan’ny sasany mihitsy mamono ny olombelona mitovy aminy amin’ny fomba feno habibiana. Any an-tsaha no matory ny mpamboly sasany satria hoe matahotra ny valifatin’ireo dahalo sy ny tahaka izany. Miverina daholo izany adin-tsaina sy endrika fahasahiranan’ny malagasy izany taorian’izay hoe fankalazàna fety izay ary ny tena heverina hoe mampalahelo aza dia nisy tamin’ireo fianakaviana malagasy sasany no tsy mba afaka niatrika izany heverina ho fety izany na heverina hoe fahaleovantena efa azo izany eto amin’ity Madagasikara ity fa dia mbola niaina tsy fandriampahalemana ihany koa! Fahasahiranam-bahoaka no mameno tanàna. Fety no vahaolana hitan’ny fitondràna. Miverina daholo!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap