Tsy misy izay tsy lasa mitaintaina sy mihorohoro isan’andro manoloana ity resaka halatr’olona eran’ny tanàna ity. Hatreto tokoa aloha moa izany dia inona no azo hanazavàna ny tranga misy ankoatran’ny hoe fanakorontanana ara-politika? Na avy amin’iza na avy amin’iza no nihavian’izy ireny dia heverina fa tsy isalasalàna ny milaza izany hoe avy amin’ireo mpamarina firenena. Avy amin’ireo olom-boahozona hamarina ity firenena ity any an-kady fa tsy ho antenaina hanavotra azy. Avy amin’ireo tia tany ngazana fa tsy tia tanindrazana. Somary mahagaga sy mahalasa saina ihany ny miheritreritra hoe misy karazan’olona toy izany eto amin’ity tany ity, eto amin’ity firenena ity. Mihevitra ny tenan’izy ireo ho afaka mijanona eto amin’ity tany ity mandrakizay ve izany ireny olona ireny na koa hampiadana ny taranany amin’ny alalan’izany ozona eo an-tampon-dohan’izy ireo izany? Hikorontana indray ilay firenena dia inona avy eo ny tombony amin’ny tohiny? Tsy ho vaovao amin’ny malagasy tonga saina rehetra intsony angamba na ho an’ireo tsy mpanara-baovao sy mpahay tantara aza fa ho krizy lalina noho izay efa misy ankehitriny indray no ho aterak’izay sanatria fipoahana krizy vaovao hafa eo. Hitotongana lavitra noho izao ny harinkarena. Ho potika ny toekarena. Filaza azy ankapobeny moa izay fa mazava ho azy hoe hitohy amin’ny fahaverezan’asana malagasy maro eto amin’ity firenena ity indray izany. Rehefa mitombo ny very asa dia hitombo ny tsy fandriampahalemana. Mbola hisy olompirenena milaza azy ho malagasy sahy hampiaina tsy fandriampahalemana ny mpiray tanindrazana aminy mihoatran’ny tsy fandriampahalemana efa iainana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ve? Inoana kosa angamba fa tena fahavalom-pirenena sy mpamarina an’ity firenena ity izany fa tsy mpamadika tanindrazana toy ny faha mpanjaka fotsiny intsony!
J. Mirija