tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Edito

Na ventiny farany aza!

Farany vao misy ventiny na nisy ventiny, hoy ny fomba fiteny izay, ny hetsika iray rehefa mba misy ho antenaina ihany.

08-mars-2023

Sample post image

Mety vokatrana fivoriana io. Mety paikady saika tsy nahomby nefa nahomby ihany ny farany. Mety tetikasa saika tsy tafavoaka nefa mba nahitana mangirana tampoka ihany avy eo. Endriny maro no mety hisehoan’ny toe-javatra toy izany saingy rehefa mijery ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena ankehitriny dia lasa ny saina hoe na ventiny farany aza! Na ventiny farany aza tsy hita ho andrandraina intsony ao anatin’izao fotoana farany hijoroan’ity fitondrana ankehitriny ity izao. Mijolotra daholo ny tetikasa rehetra. Tanamasoandro, Miami, lalambe migodana, lalana tsotra tokony atao tara na “goudron” aza moa ireny iaraha-mahita ireny fa tsy mety vita, tsy mety vita hatramin’ny farany. Ny sasany vao avy notokanana herintaona mahery na latsaka dia ireny efa hitantsika goaka be ireny. Tsy hita mazava hatramin’izao hoe ho entin’izao fitondrana izao mankaiza ary izany izao ity firenena ity? Miampita hatrany ivelany ary tena maha menatra olona io ny fomba fiasa kitanitany nampiharina nandritry ny 4 taona. Tomponandraikitra tokana no mampisavoritaka ambony ambany ambasady iray manontolo. Diplaomasia heverina tokony ho mora indrindra tahaka izany aza moa tsy voafehy ka ahoana no ahafehezana fifandraisana iraisampirenena avo kokoa noho izany toy ity hevintsika mikasika ny raharaha Okrainina izay tsy hita hoe mitodika mankaiza marina ity? Hitondra inona ho an’ny firenena moa izany ny hoe izao vao hanendry ambasadaoro na masoivoho sa dia ho fanilihana ireo namana atahorana hiova firehana fotsiny? Tsy misy afa-tsy fifidianana ve izany sisa no ho banjinin’izao fitondrana izao? Aiza intsony izany no maha mpitondra natao hiaro sy hanafaka ny vahoaka anaty fahantrana ao anatin’izany rehetra izany? Sa dia ho vitaina amin’ny tositosika sy ny tsinjotsinjo hatrany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hiandry rombo vao ho taitra a !
02-juin-2023

Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…

Card image cap
Tena mahantra
01-juin-2023

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

Voir plus