airtel

Edito

30-janv-2025

Nakisaka lavitra ny feon’ny fieritreretana !

Betsaka izay resaka sy fampanantenana natao teto izay,

Sample post image

betsaka ireo aingam-panahy maniditsidin’ny mpitondra, maro ireo zavatra notanisaina nolazaina fa hatao,…

30-janv-2025

Indrisy anefa, fa ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra, miha rendrika ao anaty fahantrana ny Firenena. Fanilihana ny tsy fahombiazana amin’ny hafa, filazana ireo tsy mitovy hevitra ho misakana ny fampandrosoana, fitadiavana fampanantenana na famoronana toe-javatra hanodinkodinana saim-bahoaka,… sisa no fomba fiasa eto ankoatra ny fitanisana vahaolana ambony latabatra efa zary miverimberina sy zary efa hain’ny olona tsianjery saingy tsy misy vokany. Lasa mpanome lesona ny hafa ny mpitondra Malagasy rehefa mahazo « micro » any amin’ny pilopitran’ireo fivoriana sy fihaonana iraisam-pirenena samihafa, kanefa ny zava-misy mitranga eto Madagasikara sanatrian’ny vava toa efa mitady haka endrika afobe. Asa mba tsapan’ny mpitondra ve ny fahoriana maro lafy iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy ? Tsy finiavana hamendrofendro fa tena fahoriana, fijaliana, fahantrana,… Mbola manan-jo hitanisa ny mpitantana tany aloha na hanilika ny tsy fahombiazana any amin’ny mpanohitra ve eo anatrehan’izao fanaovana ampihimamba sy be fandraoka ny fahefana izao ? Mbola fotoanan’ny fampanatenana ve izao hoe : « calme » fa tsy ataoko mahantra intsony ianareo ? Amin’ny fomba ahoana ? Tsy mampino ny hisian’ny fahagagana ! Ahiana ho vao mainka aza loza fa toa any amin’ny fiarovan-tseza sy fahefana no handaniana rondoha fa tsy izay hahasoa ny vahoaka sy ny Firenena. Efa tena miha mivaona andro aman’alina satria manomboka makamaka endrika firenena anjakan’ny jadona sy mirona amin’ny fampanjakana loko sy hevitra tokana i Madagasikara fa ny mifanohitra amin’izay dia fanakorontanana, hany ka ny hery sy fahefana, ny basy, ny vola,… no miasa sy ampitenenina fa ny feon’ny fieritreretana toa efa nakisaka lavitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay inoana sy harahina ankehitriny.

Card image cap
12-juin-2025

hoy ny filazantsika malagasy azy izay.

Card image cap