airtel

Edito

28-févr-2022

Edito

Niasa fotsiny sa nanao ny tena asany ?

Sample post image

Tsy misy manda fa miasa ny filoham-pirenena sy ny ekipany. Azo atao bango tokana mihitsy aza hoe “miasa ny fitondrana”.

28-févr-2022


Ny fanontaniana mipetraka anefa efa iaraha-mahalala hatramin’izay fa tsy sanatria filam-boa tsy hary akory. Mifanaraka amin’ny andraikitra nomen’ny lalampanorenana na ny sata misy azy avy ve no ataon’ny filoham-pirenena Malagasy sy ireo mpitondra miaraka aminy? Tsy vao ilay depiote avy any Toamasina maika amin’ny hiverenan’ny fizahantany iny ihany no efa nametra-panontaniana hoe toa lasa mpanao asa soa sisa ilay fitondrana fa efa betsaka. Tena ilaina dia ilaina tokoa ve ny filoham-pirenena ho variana hizara vary ho an’ireo traboina ao anatin’izao toe-draharaha izao? Tsy misy hafa afaka miandraikitra izany ve? Mandeha moa ny fanehoan-kevitra sy ohatra samihafa ataon’ny sasany amin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana toy ny hoe tapaka ny lalana RN2 noho ny fikahoan'ny riaka ny tetezan'i Moramanga ary tonga dia nanome toromarika ny minisitry ny asa vaventy ny filoham-pirenena hoe ataovy izay iverenan'ny fifamoivoizana farak'izay haingana. Toy izany koa ny tany amin'ny RN7, kaominina Ankaramena, izay nanomezany baiko fa mila averina farany izay haingana ny famatsian-jiro amin'ireo toerana izay noravan’ny rivodoza. Nahazo baiko ny Minisitry ny fampianarana hamitana haingana ireo efitrano fianarana izay rava mba hiverenan'ireo Kilonga any an-dakilasy. Ny fananganana hopitaly maika tamin'ireo kaominina izay nitrangan'ny rivodoza sy ny maro samihafa. Dia gaga ianao, hoy ilay fitenenana izay, manontany hoe mitovy ve ny atao hoe miasa sy manome baiko? Taiza ho aiza tao anatin’ilay fotoana nandalovan’ilay na ireo rivodoza no nahafahana nanangana izany hopitaly maika izany ary azo antoka ho mafy orina sy afaka handraisana marary na traboina maro ve izany hopitaly nahorina “maika tao anaty rivodoza izany? Inona ao anatin’ny voambolana hoe “politika mazava” na koa “vinam-piarahamonina maty paika” no tsy azon’ireo mpitondra ankehitriny sy ireo mpiaradia aminy? Sarotra be ve ny manakatra sy mamaly ilay fanontaniana hoe “inona no vahaolana maharitra?”. Firifiry moa ny lalana avy namboarina teto, ary raha izay no tian’izao fitondrana izao ho heno, dia tenenina mihitsy hoe izao fitondrana izao no nanao azy saingy naharitra hafiriana? Sahy miteny ve ny fitondrana ankehitriny fa tsy nisy nataony ireny lalana rarivato tsy vita hatramin’ny farany toy ireo hita any amin’ny faritra sy ireo miendakendaka na ireo lalana “bonbon voanjo” mameno tanana ireo? manaporofo ve fa nanao ny asany ny fitondrana ireny rano tondraka isam-paritra tao anatin’ireo andro ratsy ireny ? Niasa fotsiny sa nanao ny tena asany? Izay ilay fanontaniana tokony hipetraka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap