airtel

Edito

10-mars-2021

Edito

Ny ampitso no hitsara

Sample post image

Maresaka hatramin’izao eo amin’ny tontolo politika Malagasy ny fihetsiky ny filoham-pirenena

10-mars-2021

 

 mivady nandohalika nivavaka tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 6 martsa teo nandritry ny hetsika Kristianina goavana iray. Tsy nisy nahita izay tao am-po tsy miloakan’ny filoha mivady tokoa ankoatran’ilay Tsitoha. Nibebaka tamin’ny tsy nety vitany rehetra teto amin’ity firenena ity ve? Nivoady ny hanonitra izany rehetra? Tsy anjarantsika olombelona fa aleo ny ampitso no hitsara. Miverina mihotakotaka indray ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy satria taorian’ny raharaha Molina dia mipoitra indray ity raharaha Bolida namoitra ny tsy firaharahian’ny federasionina Malagasy ny ratra nahazo azy nandritry ny fiarovany ny voninahi-pirenena ity. Sanatria hiverina indray tokoa ve ny goragora nitranga nandritry ny fitantanana izay boribory Malagasy izay teo aloha. Ny ampitso no hitsara. Teo ny IEM. Nivadika ho PGE. Ankehitriny lasa PEM ary tsy hay intsony izay tena fandehan’ireny rehetra ireny niaraka tamin’ilay velirano fa dia ny fanatontosana ireo, hono, no hany “lalan-tokana” hampandroso an’i Gasikara. Ny ampitso no hitsara. Miakatra ny vidim-piainana, tsy ampy ny rotsa-korana, sahirana ny tantsaha, kere ny any atsimo, tsy mandry fahalemana ny “tany lavitra andriana” saingy ny kianja manara-penitra sy filomanosana olympika aloha no maha maika ny fitondrana. Hahatafavoaka amin’ny fahantrana koa, hono, ireo na dia niha nahantra tonga any amin’ny vodilaharana aza isika tao anatin’ny fijoroan’izao fitondrana izao. Mbola andrasana ihany koa ny ampitso hitsara. Mandra-pahatonga ny ampitso anefa, ho tazanim-potsiny hatrany ve anefa ny fizorana ho an’ny amin’ny, sanatria, lalan’ny fanimbana ny hoavin’ny taranaka sy faharavana ?

 J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap