airtel

Edito

08-juil-2025

Ny krizy no ahitana ny fahaizany !

Miharihary hatrany ny hantsana lalina misy eo amin’ny vahoaka

Sample post image

sy ny mpitondra eto Madagasikara. Raha miaina fahantrana mangitsokitsoka

08-juil-2025

ny ankamaroan’ny Malagasy izay mifofotra amin’ny sakafo indray mandeha isan’andro, mivesatra ny fidangan’ny vidim-piainana, miaritra delestazy lava,… dia manohy ny firobarobany kosa ny fanjakana amin’ny zavatra tsy laharam-pahamehana: filankevitry ny minisitra mitety faritra, fitsangatsanganana faobe ankolaka, fivoriana sy fety lava, tetikasa lafo vidy tsy maika sady tsy mamokatra,… Ny firenena sy ny vahoaka andaniny ambany ny harin-karena faobe isam-batan’olona, lavitra ny faritry ny firenena misonga miakatra. Anisan’ny firenena mahantra indrindra manerantany isika, nefa mbola mankany amin’ny lalana mivaona hatrany ny fitantanana. Tsy vao izao no misy krizy ara-pampianarana, olana amin’ny fanadinam-panjakana,... Tsy vitsy ny sehatra mitaraina ho volosan’ny Fanjakana ara-bola, kanefa tsy tena misy tamberiny amin’ny fiainam-bahoaka. Mihasarotra ny fiainan’ny Malagasy, tsy manana antoka amin’ny ho avy ny sarambabem-bahoaka,… saingy tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra. Mbola fihantsiana vahoaka aza no ataon’ny manam-pahefana sasany. Tanteraka sy iainana eto ny tenin’ilay Eveka lehibe Afrikanina Tatsimo efa nahazo ny loka Nobel ho an’ny fandriampahalemana Desmond Tutu, hoe: « Rehefa adinon’ny mpitondra fa manompo vahoaka izy, dia lasa izy no olana mitarika krizy. ». Tahaka izany ihany koa ny an’i Nelson Mandela hoe : « Ny tena fitsapana ny mpitondra dia tsy amin’ny fotoana mahafinaritra, fa amin’ny fomba iatrehany ny krizy. ». Ankehitriny anefa, tsy fandraisana andraikitra amin’ny krizy no hita, fa toa fampisehoana ivelany, fandaniam-bolam-bahoaka, ary fanimbazimbana ny fandeferan’ny vahoaka. Tsy fanatsarana olam-bahoaka no vahana, fa vao mainka fandranitana ny Malagasy amin’ny Fanjakazakana tsy ara-drariny. Mila fifohazana ! Mila fitantanana manaja ny hasin’ny vahoaka, mila mpitondra manam-panahy mihaino ny feom-bahoaka fa tsy hanambaka sy hamitaka lava. Tsy fety sy kabary intsony no ilaina, fa asa mivaingana, ary na ho ela na ho haingana, rehefa lavitra ny vahoaka ny mpitondra, dia tsy ho ela dia ho lavon’ny vahoaka koa ny fitondrany…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

finiavana asehon’ny Fitondrana ankehitriny

Card image cap
05-févr-2026

Andron’ny fanavaozana izao.

Card image cap