airtel

Edito

21-janv-2022

Edito

Ny omaly tsy niova

Sample post image

Efa ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ny fomba nitantanana ity firenena ity niainga tany amin’ny tetezamita, mitohy amin’izao vaninandro izao.

21-janv-2022

Na iza faly na iza ho tezitra, na iza hanakiana na iza hidoka,… izay tian’ny filoha sy ny nofinofinofiny tsy maintsy arahina sy tanterahina. Efa manana ny lohany sy ny eritreriny izy, ary ny azy ihany ny marina, ny azy ihany no mety. Izay mifanohitra amin’izay dia ambara fa misakana ny fampandrosoana sy fahavalom-pirenena... Fampandrosoana inona no ho vanonana ao anaty kisehoseho ivelany mandavan-taona? Firenena inona no handroso ao anatin’ny fitantanana tsy misy tanjona mazava fa miainga amin’ny zava-mipoitra eny an-dàlana eny? Iny izao omaly, ezahina mafy ny maneho an-tsary fa akaiky sy mamonjy vahoaka, mampanantena hizara zavatra sy fanampiana,… Tsy maintsy ny Filoham-pirenena ve no miditra an-tsehatra mateti-pihavy tahaka ny sotrokely etsy sy eroa? Aiza ho aiza ilay milaza hanao fitsinjaram-pahefana tena izy? Tsy misy lehibem-pokontany sy ben’ny tanàna na mpikamban’ny governemanta angaha ny firenena hany ka ny Filoha hatrany no toa may atsy may aroa tonga hatrany amin’ny mandeha mizara sakafo eny ambany tanàna? Zava-dehibe ny fanehoana fa akaiky sy mamonjy vahoaka fa tena izay ve ny tanjona sa “parade politique” hoentina hakana sary hampiakarana ny taham-pitiavan’ny olona izay mijotso andro aman’alina noho ny fitotonganan’ny firenena? Maro ny olana eto: vidim-piainana, delestazy, fahasimban-dàlana, fahalafosan’ny saran’ny serasera, tsy fahamarinan-toerana ara-toekarena sy ara-tsosialy, tsy fandriampahalemana, fipariahan’ny valanaretina,… fa firy amin’ireo no tena efa nivaha 100% na atao hoe 50% aza? Fitazonana sotrobe hakana sary hilazana fa miasa sy akaiky ny vahoaka ve no vahaolana? Na ny politika anatiny na ny ivelany tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony, fa dia izay hizorany any hiafarany. Fampanantenana lava, kisehoseho ivelany, vonjy tavanandro,… no politika sisa politika hoenti-mitantana firenena. Ny fampanantenana miraradraraka fa ny hoenti-manana tsy tena mbola hita mivaingana ho an’ireo tetikasa sasany izay hita tokoa fa tsara sy tokony ho tanteraka raha tsy hilaza afa-tsy ny “autoroute” miazo an’i Toamasina, ny làlam-pirenena samihafa,… Tsy vao izao anefa ireny no nampanantenaina fa misy aza ny efa tamin’ny propagandy, fa matoa mbola tsy tena mandeha dia ny adivarotra no lasa aloha fa ny am-paosy hividianana azy mbola baraingo satria very ny fitokisan’ny mpandoa-bary amin’ny famatsiam-bola ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap