airtel

Edito

21-avril-2021

Edito

Ody varatr’i mompera !

Sample post image

Ilay oha-pitenenana hoe : « Ody varatr’I mompera, ka ny aza voany ihany” ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

21-avril-2021

 

 

Mamely sy tsy misangy ny valanaretina, ary tsy misy angamba na olona iray aza tsy misy havana na namany na olom-pantany mamoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus. Tsy manome taratra ny tena zava-misy eny amin’ny fokontany sy ny faritra samihafa ny antontan’isa ofisialy, ka mety izay no mbola tsy mampivaky loha ny olona sasany. Firifiry ny olona malaza mamoy ny ainy ao anatin’ny iray andro kanefa mbola maro ireo ivelan’ireny tsy hain’ny besinimaro. Izay efa avy voa, na fianankaviana sy ankohonana izay nanana havana efa lasibatra aloha dia mahatsapa tsara ny ngidiny. Ny hopitaly hipoka, ny hotely-hopitaly handoavam-bola be aza efa feno ny sasany,… Mety ho vazivazy ity saingy mampisaintsaina ihany koa, fa ny toeram-pandevenana « Fasan’ny Firaisam-po » izao no mety mbola malalaka, fa raha ny toeram-pitsaboana aloha, dia mety ho faty eny am-pikarohana izay mety mandray, ka aleo misoroka, toy izay mitsabo. Ianao raha marary sy voan’ny coronavirus hoentina eny amin’ny Hopitaly lazain’ireo mpitondra ambony fa manara-penitra, fa izy ireny mandeha amin’ny fiaramanidina manokana hitsabo tena any ampitan-dranomasina amin’ny volam-bahoaka. Izy ireo aza tsy mahatoky ny zavatra ataony, fa ny vahoaka mandady harona tsy afa-manoatra no mizaka ny tsy fahalavorariana isan-tsokajiny. Mety fahorian’ny besinimaro io krizy ara-pahasalamana io, fa fifaliana ho an’ny sasany satria malalaka kokoa ny afera, mandeha ny bizina maloto, ny famoaham-bolam-panjakana tsy ara-drariny, ny tsenambarom-panjakana feno kimaizimaizina sy kiantranoantrano,… Ny fanafodiny dia ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay satria ny tsy fitandremana dia naman’ny mandondonana varavaram-pasana ianao hoe: voahy aho fa ho avy, ka ny vintana sy ny anjara sisa no tena ianteherana. Mampikorosy fahana hatrany ny fiainam-bahoaka ny fitarazohan’ny krizy, fa manampanankarena olom-bitsy lany fanahy tsy mierireritra intsony ny fitsarana farany, ka asakasak’izay mbola minia ho jamba.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap