airtel

Edito

22-janv-2024

Olana miverimberina

Tonga indray ity ny fahavaratra! Mafotaka ny lalan-tany

Sample post image

tsy voajary amina faritra maro na etsy akaikin’Antananarivo io na

22-janv-2024

Manjakandriana ka hatrany Ikongo. Ny lalam-pirenena koa mampikolay. Ao ny tapaka. Ao ny mihotsaka. Inona moa fa dia toy ny niainana tao anatin’ny 5 taona farany ihany? Mbola misy an’ilay vao notokanana volana vitsy dia ireny efa hita tsy nahatana ny onjan’orana manify ireny. Ny fikorontanana eo amin’ny lafiny famatsiana angovo koa, etsy ankilany, mbola manampy trotraka. Ny delestazy, ny fifandraisan-davitra tapatapaka na an-telefaonina io na amin’ny alalan’ny aterineto. Olana miverimberina isan-taona izany rehetra izany saingy dia tsy misy vahaolana maharitra azo hisorohana ny mety ho traboina vokatr’izany mihitsy foana ve hatramin’izao na fara-faha ratsiny manena ny isan’izany atao hoe traboina izany eto amin’ity Madagasikara ity? Hiteny indray ve atsy ho atsy rehefa mipoitra ny tsy fahombiazana maro hoe satria nisy andro ratsy na rivodoza? Hiakatra indray koa atsy ho atsy ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisampirenena, noho ny antony jeopolitika moa, hoy ny filazan’ny minisitry ny angovo sy akoran’afo vaovao azy izay. Tsy hay izany io hoe mbola fiantraikan’ny adin’ny Okrainina sy Rosia ihany ve, sanatria, sa valanaretina hafa vaovao sa inona? Ny hamisavisana ny ratsy, hono, hiavian’ny soa!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap