airtel

Edito

15-oct-2025

Pejy vaovao !

Azo lazaina ho nikatona omaly

Sample post image

14 oktobra ny pejin’ny Fitondrana Rajoelina

15-oct-2025

izay nofy ratsy ho an’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy nandritra ny 16 taona. Asa na fifandrifiana na ahoana, fa nifanindran-dalana tamin’ny faha-67 taona katroka nitsanganan’ny Repoblika Malagasy. Ny ho avy izao no tena mila banjinina, saingy mila hanatsoahana lesona mba tsy hiverenan’ny fahadisoana intsony. Kodiaran-tsarety ihany koa ny politika, tsy misy maharesy herim-bahoaka, tsy misy vahoaka azo laingana sy foretina am-polo taonany, tsy hisy tafi-bahoaka hinia hikipy mandrakizay ka hitazam-potsiny ny famotehan’ny mpitondra mandalo ny Fireneny, tsy azo refesina amin’ny vola sy ny basy na ny herin’ny famoretana ny tanjaka politika, tsy voatery hahomby sy handaitra mandrakizay ny famafazan-dainga sy kitolotolotra hanjonoana olona,… Tsy misy fitantanana hahomby sy firenena handroso ao anaty fanodinkodinana na fakana an-keriny ny safidim-bahoaka, ary tsy misy vahoaka azo terena ho tia sy hitehaka ny mpitondra mampisotro tangena azy,… Mety mbola handeha ny tsipaky ny miala aina satria olona tsy mba hanaiky diso sy misora-tena ho marina lalandava ary manao serasera ho lasibatra na « victime » foana handonana ny fon’ny olom-pirenena no resaka, hany ka na efa izy izao aza no mampidaroka baomba mandatsa-dranomaso mahafaty zaza tsy manan-tsiny dia tsy izy no diso fa ny hafa. Tsy resaka fankahana, fa afa-doza ny Malagasy afaka teo anatrehan’ny mpitondra minia jamba sy marenina, ary mihevitra ny valalabemandry ho bado sy azo foretina mandavan-taona. Dingana iray no vita, fa mbola henjana ny zavatra miandry ny rehetra. Fotoana izao hametrahana ny fototry ny fanovana tena izy, mba tena hitondra fivoarana ho an’ny vahoaka sy ny Firenena. Mety tsy hisy ny fahagagana eo noho eo, kanefa fotoana izao hanamboaran’ny samy Malagasy ity Firenena ity. Ho lasan’izay anie ny ratsy rehetra fa andao hiarahisalahy hanarina an’ity Madagasikara ity, ka hiezaka hikatsaka ny soa iombonan’ny samy Malagasy, fa tsy hanjakazakan’ny tompomenakelin’ny mpanjanan-tany lava eto ! Afaka mandroso sy mivoatra ny Firenena, manana ny herijaka samihafa, afaka mahavita zavatra ny Malagasy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

hatrany am-boalohany fa tena mbola

Card image cap
07-nov-2025

indray ity ny fahatapahan’ny rano,

Card image cap