maintsy misy foana ny indro kelin’ny mpandrafitra. Tsy afaka ny hialokaloka amin’izany ihany koa anefa, ary tokony hahay haka lesona amin’ny tsy mety teo aloha na amin’ny fanapahan-kevitra, na fomba fiasa, eny fa hatramin’ny serasera sy ny fomba firesaka,… Efa betsaka rahateo izay toetra amam-pihetsika nivadika ho singam-bolo mandavo ny vositra izay, ka aleo misoroka toy izay mitsabo. Mba mila fahintsiana ihany koa amin’ny andaniny ny fanaovana politika fa tsy dia faly ny hanatsikafona sy hitsikera noho ny tombotsoa na kajikajy politika, ka indraindray toa betsaka ihany ny toa lasa politika mivoaka miditra. Amin’ny politika, ny efa fantatra fa mpifanandrina sy mpifaninana efa fantatra, fa ny tena mila fahamailoana lehibe dia ny namana na ny mody namana, ny mpiara-dia mety te hifehy ny Fanjakana, ny mpanipy hoditr’akondro. Ampahatsiahivina, fa isan’ny poizina naharava ireo fitondrana nifanesy, indrindra fa ny tato anatin’ny 20 taona farany ny fiheverana fa izay mahazo ny fahefana dia mihevitra ho tsy maty manota sy afaka manao izay tiany, ny fisiana olona na vondron’olona, na vondrona ara-toekarena te hifehy sy hambabo ilay Fanjakana sy ny rafitra stratejika maro mba hofeheziny ho amin’ny tombotsoa ara-bola na ara-toekareny,… Poizina ny fahatokisan-tena diso tafahoatra, hoditr’ankondro ny fiheverena fa fananana hery sy fahefana ka afaka manao ny tsy mety. Efa nisafidy ny làlan’ny fanovana isika, dia mila halavirina sy sorohana ireo mety fandoto iray tandroka mety handoto ny rano iray siny, mila jerena ireo zavatra tsy mety, mila henoina ihany ireo tsikera mety mikendry fanatsarana, tsy tokony hitavozavoza haneho ny mangarahara raha ilaina amin’ny zavatra mety miteraka resabe,… Mila mahay maka lesona e !
Toky R